Nanonofy aho fa efa tapitra talohan’ny 2009 tolona ho an’ny demokrasia, ny ady ho an’ny fahalalahana maneho hevitra, ny tsy fanakatonana haino aman-jery intsony,tsy fisambotsamborana sy fanagadrana noho olona noho ny hevitra tsy mitovy,… Tonga hatrany amin’ny fandrobana, famotehana, fandorana,… anie tamin’ireny nentina namaizana ny mpitondra e ! Indrisy anefa fa ny taloha ihany no miverina, ka asa hoe : rehefa iza no misioka dia voromanga ary rehefa izy dia vorondolo ? Tsy hiteny betsaka aho anio, fa haneho sy hampahatsiahy fotsiny hoe : nofitahinareo hatrany am-piandohana ny Malagasy, nolalaovinareo tamin’ny sarintsarim-pahafana niorina tamin’ny politikan’ny ory hava-manana ka indrisy potika sy rotika ka hanjakazakanareo ny tanàna. Tsarovy anefa fa raha mitohy ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra e !
Toky R
Avo lenta ny endrika isehoan’ny kolikoly eny anivon’ireo sampan-draharaham-panjakana eto amintsika.
Ory hava-manana ny malagasy, hoy ny fomba fiteny heno matetika taty amin’ny taonjato faha 20.
Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny
Hotanterahana any Adis-Abeba ny 15-16 febroary izany hoe : ny sabotsy sy alahady izao ny
Tsy mitsahatra ny mitady izay fomba hanomezana fahafaham-po antsika mpihaino ny TOP RADIO FM 102.8.
Tena mampiady ny firehana politika tsy mitovy. Tsy ho an’ny olom-pirenena tsotra samy maneho hevitra dia