airtel

Actualités

11-nov-2025

Depiote Antoine Rajerison

"Foano ilay tetibola 575 miliara ariary ho an'ny vary safiotra"

Sample post image

Naneho ny heviny mikasika ilay volabe

11-nov-2025

mitentina 575 miliara Ar hatokan'ny Fitondram-panjakana ho an'ny fambolena vary safiotra na riz hybride ny Solombavambahoaka Rajerison Antoine voafidy tany amin'ny distrikan'Arivonimamo omaly. Foano io hoy izy fa tsy mety amin'ny ankamaroan'ny tantsaha. Mila fampiasana zezi-bazaha betsaka sy fifehezanabe ny rano mantsy ny fampiasana azy io raha ny nambarany. Tokony havadika hanatsarana ny masomboly vokarin'ny FOFIFA izany hoy izy miampy ny fanatsarana ny fampidiran-drano. Raha tena tiana handroso mantsy ny sehatry ny fambolena eto amintsika hoy izy dia zavatra miisa telo no tokony hofehezina toy ny fivarotana zezika mora zakan'ny fahefa-mividin'ny rehetra, ny fisian'ny rano amby ampy ary ny fampiasana masomboly tsara kalitao. Mangataka amin'ny Fitondram-panjakana ny hanafoanana ireo karazana fanomezan-dalana feno kolikoly amin'ny fanondranana ireo voly fanondranana sy harena an-dranomasina maro ihany koa ity depiote ity. Nambarany fa mahatratra 4.250 T isan-taona ny vokatra drakaka eto amintsika. Tafakatra 4 dolara isaky ny kg ny vola niditra tany amin'ny tranobe an'ilay mpandraharaha malaza iray nanao izany asa izany izay mahatratra 85 miliara Ar isan-taona hoy hatrany izy.
Pati
Légende : Rajerison Antoine depiote voafidy tao Arivonimamo 

Dans la même rubrique

23-oct-2026

Sinoa iray tratra nitondra volamena

Card image cap
23-oct-2026

Manome lanja ny tontolon’ny

Card image cap
23-oct-2026

Misy vatsim-pianarana 12 hiofanana atsy Maorisy

Card image cap
23-oct-2026

Hiverina amin’ny heriny, eny

Card image cap
22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap