airtel

Actualités

07-oct-2022

Actualités

Depiote Lanto Rakotomanga Voatonotonona amina aferana hazo

Sample post image

Taratasy mitondra ny datin’ny 4 oktobra 2022, fanomezan-dalana hitatitra hazo no hita tany amina mpamily iray rehefa voasava teo amin’ny sakana izy.

07-oct-2022

Tany Ambatondrazaka no nitrangan’ny raharaha, voatonona ao anatin’ilay taratasy ny solombavambahoaka IRD Mapar Lanto Rakotomanga voafidy teny amin’ny boriborintany faha-2 Antananarivo renivohitra .Raha ny soratra dia mpamily nirahiny hitatitra hazo avy any Ambatondrazaka mankaty Antananarivo ity voasakana ity ary tsy manam-petra ny faharetan’ilay fahazoan-dalana ( autorisation de transport).Raha ny resaky ny avy ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy dia tsy nanome afatsy ilay taratasy misy ny anaran'ilay solombavambahoaka ny mpamily ilay fiara tratra nitondra hazo voamboana (palissandre) tao Vohitraivo. Tsara ho marihina fa tsy mbola misy mihitsy ny fisokafan'ny fitrandrahana ny hazo voamboana amin'izao fotoana izao, izay voasokajy ho hazo sarobidy. Ny minisitera irery ihany no afaka manome alalana saingy tsy mbola misokatra izany hatreto aloha. Mazava ny resaka eto fa niditra anya mina fahefana tsy tokony nidirany ity solombavambahoaka ity ary rariny sy hitsiny raha alefa araka ny tokony ho izy ny fanadihadiana ; efa manao izany moa ny mpitandro filaminana sy ny ministeran’ny tontolo iainana raha ny fantatra.Ho hita eo indray ny momba ity raharaha iray mahavoasaringotra manampahefana ity, hipoitra ve ny marina sa holazaina indray fa taratasy hosoka io ary tsy misy idiran’ilay solombavambahoaka. Na ahoana na ahoana ambara anefa dia lojika be raha mandalo fanadihadiana Rtoa Lanto Rakotomamnga ary tokony manome alalana hahafahan’ny mpanao fanadihadiana manao izany ny birao maharitry ny anteniierampirenena, fa tsy sanatria hody fanina na hifampiaro eo dia ilay mpamily no mody ampidirina am-ponja dia mangiana ny raharaha.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap