airtel

Actualités

15-mai-2026

Disadisam-piarahamonina

Trano miisa 22 tafo no may kila forehitra

Sample post image

Nitrangana haintrano goavana

15-mai-2026

tao Morafeno Fokontany Ambatofotsy Kaominina Andiolava, Distrika Ihosy Faritra Ihorombe ny atoandron'ny Talata teo. Trano miisa 22 tafo no may kila forehitra, niaraka tamin'ny fanaka rehetra tao anatiny, vary sy tsako ary vokatra hafa aman-taonina, lelavola aman-tapitrisany. Raha ny fitantaran'ny niharam-boina dia valifaty nataon'olona vokatry ny disadisam-piarahamonina no anton'izao. Valo lahy, ka nitondra fitaovam-piadiana ny dimy tamin'ireo no nahavanon-doza. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Mpitandro Filaminana momba izao tranga izao. Fianakaviana maro no traboina tsy misy fitafiana, tsy misy sakafo.
Nangonin'i Jean D.
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

125 Miliara Ariary eo hatreto ny kaonty nogiazana

Card image cap
17-juil-2026

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

Card image cap
17-juil-2026

Vao nanomboka dia nangotraka ny delestazy...

Card image cap
17-juil-2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

Card image cap
17-juil-2026

marika World Cola ny mpanankato Denise.

Card image cap
17-juil-2026

mampanahy raha tsy miara-mientana isika»

Card image cap