airtel

Actualités

29-août-2022

Actualités

Disadisana mpivady Maty nananton-tena ilay rangahy

Sample post image

Mahazo vahana ny disadisana mpivady eny anivon’ny fiarahamonina eny. Ankoatra ny olana amin’ny fitaizana ny ankizy dia anisan’ny antony iray miteraka izany ihany koa raha araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ny

29-août-2022

Fokontany iray ny resa-bola. Hatramin’ny niakaran’ny vidin-tsolika teto amintsika mantsy ka nampidangana ny vidin’ireo kojakoja maro samihafa ilaina amin’ny fiainana andavanandro dia tsy maharaka intsony ny vola eo am-pelatanan’ny tsirairay, antony miteraka fifamaliana eo amin’ny mpivady. Mandeha avokoa ireo karazam-pitenenana maharary ao an-tokantrano ao noho izany raha misy mifampikasi-tanana mihitsy ny sasany. Ho ana tranga iray teny Manakambahiny, Boriboritany faharoa teny ohatra dia fantatra fa vokatry ny disadisa nisy teo amin’izy mivady raha ny tombana nataon’ny fianakaviana no nanosika ilay lehilahy hananton-tena. Maty noho izany mihitsy ity farany, tranga niseho tamin’ny faran’ny herinandro teo. Marihina moa fa anisan’ny antony mety mitarika amin’izao famonoan-tena hataon’ny iray amin’ny mpivady izao ihany koa ny fampirafesana. Efa miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i Pati
Legende : Manahirana matetika ny zava-mitranga eny anivon’ny fiarahamonina amin’izao fotoana.
(Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap