airtel

Actualités

10-oct-2025

DORO TANETY MIRONGATRA AO ANKAZOBE

Trano 2 no indray may tao Andranofeno Sud

Sample post image

Mirongatra ny doro tanety ao anatin'ny kaominina

10-oct-2025

ambanivohitr'Andranofeno Sud, distrikan' Ankazobe. Mihitatra miazo ny faritra misy tanana izany ka trano miisa 2 no indray ravan'ny afo omaly Alakamisy 09 Oktobra tokony ho tamin'ny 4 ora hariva. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tranona mpianatra ireo may ireo. May vokatr'izany avokoa ny entan'ireto farany. Tsy nisy noraisina hatramin'ny fandriana natoriany sy ny akanjo hanaovany. Fantatra moa fa voavonjin'ny fokonolona ny trano sasany, antony tsy nahamay azy ireo. Miantso ny fandraisan'andraikitry ny tompon'andraikitra araka izany ireo mponina any an-toerana mikasika ity doro tanety lava mandoro tanindrazana sy mamono ny mpiara-belona ity. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy.
Pati
Légende : May tsy nisy noraisina tahaka izao ilay tanana kely !
 

Dans la même rubrique

23-oct-2026

Sinoa iray tratra nitondra volamena

Card image cap
23-oct-2026

Manome lanja ny tontolon’ny

Card image cap
23-oct-2026

Misy vatsim-pianarana 12 hiofanana atsy Maorisy

Card image cap
23-oct-2026

Hiverina amin’ny heriny, eny

Card image cap
22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap