airtel

Actualités

10-oct-2025

DORO TANETY MIRONGATRA AO ANKAZOBE

Trano 2 no indray may tao Andranofeno Sud

Sample post image

Mirongatra ny doro tanety ao anatin'ny kaominina

10-oct-2025

ambanivohitr'Andranofeno Sud, distrikan' Ankazobe. Mihitatra miazo ny faritra misy tanana izany ka trano miisa 2 no indray ravan'ny afo omaly Alakamisy 09 Oktobra tokony ho tamin'ny 4 ora hariva. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tranona mpianatra ireo may ireo. May vokatr'izany avokoa ny entan'ireto farany. Tsy nisy noraisina hatramin'ny fandriana natoriany sy ny akanjo hanaovany. Fantatra moa fa voavonjin'ny fokonolona ny trano sasany, antony tsy nahamay azy ireo. Miantso ny fandraisan'andraikitry ny tompon'andraikitra araka izany ireo mponina any an-toerana mikasika ity doro tanety lava mandoro tanindrazana sy mamono ny mpiara-belona ity. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy.
Pati
Légende : May tsy nisy noraisina tahaka izao ilay tanana kely !
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap
27-juil-2026

Miroso amin'ny fanavaozana lehibe

Card image cap
27-juil-2026

Karohan'ny Polisim-pirenena eo

Card image cap
27-juil-2026

Mitohy hatrany ny halatra taribin'ny

Card image cap