airtel

Actualités

24-juin-2026

Dr Denis

Alexandre Lahiniriko

Sample post image

Tsy hisy firenena afaka miaina irery na matanjaka toa inona»

24-juin-2026

Ny atao hoe firenena manana ny fahaleovantenany dia firenena iray eken’ny fianakaviambe iraisampirenena fa mahaleotena, hoy ny mpahay tantara, Dr Denis Alexandre Lahiniriko. Ny ankabeazany dia mpikambana ao amin’ny firenena mikambana. Io firenena io dia manana ihany koa ireo singa hahafahana milaza fa mahaleotena. Manana ny tafika, ny volany, ny politika ifandraisany amin’ny firenena mahaleotena toa azy ary afaka mamaritra ny politika entina mandamina ny fiarahamonina ao aminy. Na izany aza dia misy foana ny «interdépendance» na fifampilàna. Io indray moa raha toekarana satria noho ny fanatontoloana dia tsy hisy firenena afaka miaina irery na matanjaka toa inona aza izy. Na ny amerikanina sy ny sinoa aza miankina amin’ny firenena hafa amin’ny lafiny be dia be. Mazàna koa ny firenena mbola marefo toa an’i Madagasikara dia hijabahan’ireo firenena mantanjaka na ny politika anatiny aza. Na izany aza eken’izao tontolo izao hoe manana ny fiandrianany izy. Nanomboka ny 26 jona 1960 dia mahaleotena i Madagasikara ary manana ny singa rehetra hilazàna fa mahaleotena izy. Tsy i Frantsa intsony no nitondra azy. Na izany aza, raha ny repoblika voalohany no jerena dia tsy feno izany satria mbola nitsabaka foana i Renimalala na teo amin’ny resaka politika izany na toekarena na sosialy. Endrika hijerena koa izay hoe na iza na iza firenena. Sarotra ny hitenenana fa tena feno ny fahaleovantenany, hoy hatrany izy.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique