airtel

Actualités

28-nov-2025

DR TSIALEFISON, KANDIDA HO GOVERNORA

Fadiranovana ny Faritra niaviko, hanolo-tena aho

Sample post image

Fadiranovana ny Faritra niaviko hoy

28-nov-2025

Dokotera Tsialefison Bertin, kandida iray nanatitra ny antontan-taratasiny tetsy amin'ny Ministeran'ny Ati-tany ho an'ny Faritra Fitovinagny. Maro ireo olana sedrain'ireo mponina any amin'ity Faritra iray ity raha ny nambarany tamin'ny mpanao gazety omaly. Lohalaharana amin'izany ny haratsian-dalana mampitohy ireo kaominîna maro samihafa. Ny tsy fanampian-jiro, ny tsy fisian'ny rano fisotro madio. Tsy latsa-danja amin'ireo ny tsy fisian'ny asa mahavelona, tsy mahomby ihany koa ny fambolena sy ny fiompiana ary farany izay tsy kely akory dia ny fanavaozana ny jono an-dranomamy sy an-dranomasina raha ny nambarany. Fotoana fanavaozana izao hoy ity kandida ho governora ao Fitovinagny ity, antony hijoroany. Nomarihiny moa fa laharam-pahamehana ho azy ankoatra ireo voalaza ireo ny fametrahana ny fitantanana madio sy mangaraharaha indrindra fa ny resaka fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany mba hisy fiantraikany amin'ny isam-baravarana izany.
Pati
Légende : Ny Dokotera Tsialefison Bertin, kandida governora any amin'ny Faritra Fitovinagny !
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap