airtel

Actualités

28-nov-2025

DR TSIALEFISON, KANDIDA HO GOVERNORA

Fadiranovana ny Faritra niaviko, hanolo-tena aho

Sample post image

Fadiranovana ny Faritra niaviko hoy

28-nov-2025

Dokotera Tsialefison Bertin, kandida iray nanatitra ny antontan-taratasiny tetsy amin'ny Ministeran'ny Ati-tany ho an'ny Faritra Fitovinagny. Maro ireo olana sedrain'ireo mponina any amin'ity Faritra iray ity raha ny nambarany tamin'ny mpanao gazety omaly. Lohalaharana amin'izany ny haratsian-dalana mampitohy ireo kaominîna maro samihafa. Ny tsy fanampian-jiro, ny tsy fisian'ny rano fisotro madio. Tsy latsa-danja amin'ireo ny tsy fisian'ny asa mahavelona, tsy mahomby ihany koa ny fambolena sy ny fiompiana ary farany izay tsy kely akory dia ny fanavaozana ny jono an-dranomamy sy an-dranomasina raha ny nambarany. Fotoana fanavaozana izao hoy ity kandida ho governora ao Fitovinagny ity, antony hijoroany. Nomarihiny moa fa laharam-pahamehana ho azy ankoatra ireo voalaza ireo ny fametrahana ny fitantanana madio sy mangaraharaha indrindra fa ny resaka fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany mba hisy fiantraikany amin'ny isam-baravarana izany.
Pati
Légende : Ny Dokotera Tsialefison Bertin, kandida governora any amin'ny Faritra Fitovinagny !
 

Dans la même rubrique

23-oct-2026

Sinoa iray tratra nitondra volamena

Card image cap
23-oct-2026

Manome lanja ny tontolon’ny

Card image cap
23-oct-2026

Misy vatsim-pianarana 12 hiofanana atsy Maorisy

Card image cap
23-oct-2026

Hiverina amin’ny heriny, eny

Card image cap
22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap