Efa natsidiky ny filohan’ny fanavaozana hatramin’ny nanombohany nandray fahefàna, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Durlin Retogniane, fa tsy maintsy hiafara amin’ny fifidianana isika na tiana na tsia. Efa nambarany ombieny koa, hoy izy, fa ny hitondra antsika any amin’izay fifidianana izay no iraka nomena azy. Lojika be, noho izany, raha mibahan-toerana anatin’izao fakàn-kevitra mandeha izao ny resaka fifidianana. Manana ny hetahetam-pony koa ny mpisehatra politika rehetra matoa noraisiny. Tsy azontsika ihodivirana nefa ao anatin’izany ny mety fisiana fanolorana hevitra mombana rafitra omen’ireny mpanao politika nihaona tamin’ny filohan’ny fanavaozana ireny. Misy miresaka rafitra federaly na tokana ao. Ao ny miresaka rafitra rejionaly sy ny maro tsy voatanisa fa ao koa ny miresaka lalàmpanorenana. Inona no rafitra mety amin’ilay firenena ary lalàmpanorenana toy ny ahoana? Natsidiny hoe na io fifidianana lalàmpanorenana araka ny fanirian’ny rehetra hoe tokony hisy lalàmpanorenana miisa 2 na 3 aroso dia fidiana fa tsy Eny sa Tsia toy ny taloha intsony. Tsara tsipihina fa tolokevitra na «proposition» no nomen’ireo mpanao politika mba tsy hahavery fotoana mandritry ny dinika atao amin’ilay fikaonandoham-pirenena. Na tiantsika na tsia dia ny fikaonandoham-pirenena no hamaritra ny fifidianana hoavy, ny rafitra mety amin’ny firenena fa tsy hoe efa vitan’ireo mpisehatra politika nihaona tamin’ny filohan’ny fanavaozana ny fikaonandoham-pirenena. Mbola hisy ny fikaonandoha iarahan’ny rehetra. Tsy olona iray na roa na antoko politika iray nefa no hiantoka ny tsy hiverenan’ny krizy eto Madagasikara. Miankina amintsika rehetra io. Be dia be ny mpanao politika, antoko politika eto Madagasikara izay mitady seza no ankamaroany. Ny fahatongàvan-tsainan’ny tsirairay no tsy hampiverina krizy intsony, noho izany. Mifandray amin’ny lafiny toekarena sy sosialy io satria ny krizy politika tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny toekarena sy sosialy. Tokony hiova amin’ny fomba fanao izany, araka ilay hoe, tokony manomboka amin’ny fanovàna toetsaina ny fanavaozana. Na tsara toy inona aza tsinona ny tapaka amin’ny fikaonandoham-pirenena fa mbola lavitry ny fitiavan-tanindrazana ny toetsaina, izany hoe tia seza sy tia tena, dia tsy maintsy hiverina foana ny krizy. Mila fanentanana ny fanovàna toetsaina ary tsy ny filoham-pirenena na solombavambahoaka na ben’ny tanàna na loholona na lehiben’ny faritra, izany hoe, tsy ny olomboafidy na voatendry no hanao azy fa ny fiarahamonina mihitsy no mila miara-mientana. Afaka manabe ny mpanaradia azy ny antoko politika. Afaka mampianatra izany koa ny mpampianatra sy mpanabe. Ny mpitondra fivavahana koa dia manana anjara biriky amin’izany fanovàna toetsaina izany fa tsy mifandraika akory izany amin’ny hoe manafangaro ny fivavahana sy fitantanana firenena. Tsy vita androany sy rahampitso na rahafakampitso ny fanovàna toetsaina fa dingana ilaina atomboky ny olompirenena rehetra dien’izao mba tsy hisian’ny tarazo ho an’ny taranaka any aoriana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija