airtel

Actualités

26-mai-2026

Eliace Ralaiarimanana

"Ny hazo tsara no mamoa voa tsara"

Sample post image

Tsy fisehoana hoe hitondra mba

26-mai-2026

hampalaza tena fa fanehoana fa nitantana dia misy fiatraikany amin'ny vahoaka sy ny firenena no jerena, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika. Asehoy ho hitanay vahoaka fa tena miady amin'ny kolikoly, amin'ireo mpandroba volam-panjakana sy harem-pirenena ao an-dapa ireo, hoy ny filohan'ny antoko, Eliace Ralaiarimanana. Ny asa vita no hifampitsarana ary ny atao no hita. Ny hazo tsara no mamoa voa tsara fa ny hazo ratsy mamoa voa ratsy. Matoa mbola feno mafia manodidina anao Andriamatoa filoha. Tsy marina ny filazana fa misitraka rano ny vahoaka eto Antananarivo satria mbola feno "bidon jaune" na zerikanina mavo eny amin'ny Paompin-drano. Ny lalana indray dia fitohizan'ireo asa nataon'ny filoha teo aloha ireo asa mandeha rehetra ireo. Satria fitondrana fanavaozana izao dia asehoy ireo tolotr'asa vaovao ho jerena! Aza manabado vahoaka fa vahoaka mandinika sy misaina ireo ary vahoaka feno fahendrena, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-mai-2026

Manohana ny Fanavaozana ary handray

Card image cap
26-mai-2026

Tsy mpaniraka olona hivarotra amoron-dalana izahay!»

Card image cap
22-mai-2026

Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»

Card image cap
22-mai-2026

Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »

Card image cap
22-mai-2026

hoy ny Filohan'ny Synad

Card image cap
22-mai-2026

ireo hisakafo ao amin’ny PHO Resto

Card image cap