Magazay Ballou eny Andraharo ankehitriny. Misokatra manomboka anio Talata 20 May no tolotra omeny ny mpanjifa rehetra mifandraika amin’izany izay tafiditra ihany koa ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Reny. Ankoatra ireo karazana kojakojan-dakozia izay misy fihenam-bidy hatrany amin’ny 60 % dia voakasika ihany koa ny fandriana, ny kojakoja natokana ho an’ny ankizy, ny ondana… Tsiahivina hatrany moa fa Mr Meralli Ballou no namorona ny magazay Ballou tamin’ny taona 1965. Mpivaro-damba teny Analakely no niandohany tamin’ny alalan’ny toerana 12 m2. Ankehitriny lasa orinasa lehibe izy ireo ary mivarotra kojakoja marika Eoropeana. Haharitra 11 andro ny hetsika hotanterahin’izy ireo amin’ireo karazana kojakoja hatrany amin’ny 1400 isa. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Reny izao.
Pati
Legende : Azo hatao fanomezana fetin’ny Reny tsara ireto karazana kojakoja ireto !
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira