airtel

Actualités

19-mai-2026

Fahafatesan’ny depiote Rabenirina

Jean Jacques Aza ampiasaina amin’ny

Sample post image

tanjona politikanareo, hoy i Siteny

19-mai-2026

Nilaza ny pasitera RJL fa tsy loza tsotra fa namboarina no nahafaty ny solombavambahoaka Jean Jacques Rabenirina ( solombavambahoaka voafidy tany Betioky Atsimo). Ity farany izay nodimandry ny septambra 2025. « Amin'ny misasak'alina no nantsoina solombavambahoaka Jean Jacques Rabenirina hanatrika fivoriana iarahana amin'ny mpanao politika, izay fivoriana miafina. Rehefa tonga ao amin'ny toerana hivoriana niaraka amin'ny mpiambina sy ny mpamily dia notenenin'i Siteny Randrianasoloniako hoa mandehana ianareo mandeha mody fa antsoina ianareo rehefa rava ny fivoriana. Rehefa rava ny fivoriana dia tsy nantsoina haka azy fa noterena an-kolaka izy handeha moto, andro misasak'alina.Nandeha anefa ny resaka sy feo tamin'izany fa izy no ho filohan'ny antenimierampirenena hisolo an'ilay teo aloha. Nandeha ihany koa ny feo fa raha izy ny filohan'ny antenimierampirenena dia tsy tafiditra tao Madagasikara ny Rosianina. Izay daholo ve no antony namonoana azy satria misy te haka ny toerana filohan'ny antenimieram-pirenena ? », hoy i Pasitera RJL. « Tsy te hanao kaomantera ao amin’io fahafatesan’ny solombavambahoaka rahalahy. Nanatrika fivoriana i zoky Jean Jacques, izaho no niaraka nisakafo taminy farany. Rehefa hody izy dia nisy niantso ny fiarany, voatoaraka ny fiarany, vaky ny radio tao anatiny. Niteny izy hoe aza entina aty an-tranon’i President Siteny ny fiara, fa aleo aho aterina », hoy ny fanazavan’ny PAN omaly izay nilaza fa tsy tokony hiteny zavatra tsy fantany sy hanoso-potaka noho ny antony ara-politika i Pasitera RJL. « Tsy tokony hampiasaina amin’ny resaka politika ny fahafatesan’i zoky Jean Jacques. Tokony hametra-pialana tsy ho pasitera fa mpandainga. Teo aho no niteny hoe ity ary misy fiara, fiaran’ny depiote Afakandro, fa izy mihitsy no tsy nanaiky fa hoe aleo handeha moto. Aza ampiasaina amin’ny tanjona politikanareo ny fahafatesany, fa ao Andriamanitra hitsara ahy sy hitsara azy », hoy hatrany ny Filohan’ny Antenimierampirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-mai-2026

Fanjakana, nanolotra 150 tapitrisa Ar »

Card image cap
20-mai-2026

Mitaraina ho nataon'ny mpanao politika fitadiavan-tseza fotsiny

Card image cap
20-mai-2026

Misy fihatsaràny ny famatsian-drano

Card image cap
20-mai-2026

fitrandrahana harena an-kibon’ny tany

Card image cap
19-mai-2026

afaka mitory rehefa tapitra ny fivorianay ! »

Card image cap