Efa andro maromaro izay, ary tsy mbola nivaha ny olana. 11MW ny filàna herinaratra ao Antsiranana. 6MW eo ihany no misy. Raha nampanantena hamokatra 4,2 MW ny orinasa ENELEC tamin'ny Alatsinainy teo, izay nohamafisiny an-tsoratra, dia tsy nahazoana afa-tsy 3 MW, ity mpiara-miombon'antoka amin'ny orinasa Jirama ity. Omaly maraina dia 1,6 MW fotsiny ary nijanona io 1,6 MW io ihany ny alina. Midika io fa tsy nitàna ny teny nomeny ny ENELEC. Mbola tsy ampy indray arak'izany ny vokatra tsinjaraina ao Antsiranana ka antony mbola isian'ny fahatapahan-jiro mifandimby ao an-toerana. Ny ENELEC etsy ankilany manazava fa ny orinasa Chelsea Energy no manao ny fanamboarana ny vondrona mpihary herinaratry ny orinasa no anton'ny delestazy ao Antsiranana. Eo koa ny fahataran'ny fandoavam-bola ho an'ireo orinasa. Nidina tany an-toerana ny minisitry ny angovo sy ny akoran'afo, Rabearimanga Radonirina Lucas ny faran'ny herinandro teo. Nambarany fa atao izay mety rehetra mba hialana amin'izao delestazy lava ao Antsiranana izao. Misy milina mpihary herinaratra nalefan'ny fanjakana Fanavaozana any an-toerana hahafahana mamaha tsikelikely ny olan'ny famatsiana herinaratra. Tokony efa tonga ny alina teo any an-toerana izany milina izany. Misy koa tetik'asa lehibe "parc solaire", manana tanjaka 32MW, izay vinavinaina ho vita ny faran'ny taona 2027. Tsy vao izao no niaina izany delestazy izany Antsiranana fa efa taona maro fa ity fitondrana Fanavaozana ity no hamaha ny olana.
Jean D.