Vehivavy iray avy any ambanivohitry Manakara no namoy ny ainy tao amin’ny Bloc opératoire ny sabotsy 5 septambra teo. Ny delestazy no ambaran'ireo havany fa antony voalohany nitondra azy any amin'ny fahafatesana. Nentina tamin’ny filanjana izy, niainga tamin’ny 3 ora maraina avy any ambanivohitra, saingy vatana mangatsiaka no nentin’ny fianakaviana nody tamin’ny 9 ora alina. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’i Andriamanonja Faustin Segolain tao amin’ny pejiny: efa vonona ny ekipa mpandidy sy ny anesthesiste. Vao vita ny fampatoriana lalina, tapaka tampoka ny jiro. Tsy nisy herinaratra nampandeha ny milina mpandefa "oxygène", ka olona efa torana sy tsy nahatsiaro tena no nilaozan’ny ainy. Am-polony minitra taty aoriana vao niverina ny jiro, saingy tsy tana intsony ny ainy. Ny fianakaviana, izay nanantena fahasitranana, dia voatery nitondra razana nody. Tranga mampihetsi-po sy mampanontany tena indray ity, manasongadina ny loza ateraky ny delestazy amin’ny sehatry ny fahasalamana. Omaly 06 septambra 2026, nidina teny an-toerana ny Mpanolontsaina Avo ny Fanavaozana ny Repoblika, Andriamiharitsoa Gervais, niaraka tamin’ny Lehiben’ny Faritra Fitovinagny sy ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana. Araka ny fanazavana navoaka, efa nisy « groupe électrogène » sy « switch automatiqu »e napetraky ny Fitondram-panjakana tao amin’ny hopitaly nanomboka ny volana Febroary 2026. Tokony handray avy hatrany izany rehefa tapaka ny herinaratra avy amin’ny JIRAMA. Nambaran’ny Fitondram-panjakana ihany koa fa hisy ny famantarana mazava ny andraikitry ny tsirairay amin’ity raharaha ity sy ny fandraisana fepetra amin’izay mety ho fahadisoana hita. Anisan'ny toerana stratejika ny hopitaly, izay tsy tokony hisy fahatapahana herinaratra, indrindra ny hopitaly lehibe misy toeram-pandidiana sy mandray ireo aretina misy fahasarotana. Matetika tsy ampidirina anaty fandaharam-pahatapahana mifandimby ny faritra misy hopitaly. Eo ihany koa ny fametrahana milina mpihary herinaratra manokana izay mandeha ho azy vao tapaka ny herinaratra. Ny zavatra tahaka izao dia tokony handraisana lesona sy hanamafisana ny ezaka hamahana ny olan'ny delestazy eto amintsika izay mamono olona mivantana sy ankolaka satria miantraika amin'ny toekarena sy ny fihariana.
Toky R
Namonjy ny volany 100 000Ar, kinanjo natelin’ny rano i Dety