airtel

Actualités

15-déc-2023

FAKO MIPARITAKA ETO AN-DRENIVOHITRA

Mitaraina ho tsy voajery ireo eny amin’ny faritra iva

Sample post image

Miparitaka izaitsizy ny fako eto an-drenivohitra.

15-déc-2023

Efa ho iray volana teo ho eo izao no nahitana taratra izany, antony mampahazo vahana ireo karazan’aretina toy ny aretin’andoha sy ny taovam-pisefoana eto amintsika. Ireo faritra iva no tena ahitana izany toy ny etsy Ambodin’Isotry, Anosibe, Andravoahangy…Nambaran’ireo mponina fa tena tsy voajerin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny SMA mihitsy izy ireo na dia efa akaiky aza ny fety. Ny eny Antaninarenina sy Ambohijatovo, toerana manakaiky ny lapam-panjakana izay misy jiro mandravaka ny tanana ihany hoy izy ireo no diovina fatratra sy arovana fa ny ankoatra izay dia tsy misy firaharahiana sy fandraisana andraikitra mihitsy. Ny fofona sy ny lalitra ateraky ny fako anefa hoy izy ireo mila tsy ho azo iainana intsony indrindra amin’izao andro mafanabe izao. Manampy trotraka izany ny hoditra lodisia sy manga izay mameno ny antsasaky ny daban-jaoridira. Miantso ny orinasa SMA sy ny kaominina Antananarivo mba handray ny andraikiny araka izany mponina any amin’ireo faritra iva ireo. Tsiahivina moa fa tsy any amin’ireo faritra voalaza etsy ambony ireo ihany no feno fako miparitaka eto an-drenivohitra fa efa misy hatrany akaikin’ny hopitalim-panjakana sy ny tsy miankina mihitsy, izay loza mitatao ho an’ireo marary tsaboina rehetra.
Pati
Legende : Tahaka izao ny fako miparitaka eto an-drenivohitra amin’izao !
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?

Card image cap
07-févr-2025

Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola

Card image cap
07-févr-2025

Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga

Card image cap
07-févr-2025

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena

Card image cap
06-févr-2025

Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa

Card image cap
06-févr-2025

Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,

Card image cap