airtel

Actualités

17-juil-2026

Famerenana harena

malagasy lasa any ivelany

Sample post image

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

17-juil-2026

Mpikambana anatin’ireo sampan-draharaha iraisampirenena misahana ny harena azo tamin’ny fomba tsy mazava aty atsimon’i Afrika i Madagasikara, hoy ny fampitàm-baovao avy eo anivon’ny ARAI na ny sampan-draharaha misahana izany eto amintsika tetsy amin’ny Motel Anosy omaly. Fiaraha-miasa amin’ireny rafitra ireny, hoy ny fanazavàna, no hahafahantsika mangataka famerenana sy mamerina ireo harenan’i Madagasikara lasa any ivelany. Misy fifanarahana nataon’i Madagasikara tamina firenena vitsivitsy ihany koa. Ny minisiteran’ny fitsaràna no ivon’ny andrim-panjakàna mahefa ao anatin’izany. Tomponandraikitra voalohany izy fa miara-dalana aminy ny ARAI. Manana kaonty isak’ireo banky madinika na «banque primaire» ny ARAI hitehirizana ireo kaonty nogiazana. Ny fananana indray dia mijanona any amin’ireo toeram-panagiazana na «site de conservation» an’ny ARAI raha ohatra hoe fiara. Raha ohatra hoe trano dia mametraka mpiambina azy ireny ny ARAI. Raha mivoaka ny didy raikitra dia mandefa sosonkevitra any amin’ny filànkevitry ny minisitra ny ARAI amin’ny fampiasàna ilay fananana. Mety ho amidy na ho ampiasàin’ny fanjakàna araka ny filàny ilay izy. Ny didim-panjakàna nivoaka ny 30 martsa 2025 no nanome alalana ny ARAI hampiasa ireny fiara nogiazana ireny. Mandeha miandalana ny fanatanterahana izany taorian’iny didy iny. Betsaka ny firenena manapa-kevitra hampiasa ireny fananana voageja ireny fa tsy hoe Madagasikara irery no manao an’io satria iarahantsika mahita fa simba izany fiarakodia izany raha vao apetraka amina toerana iray maharitraritra. Raha zavatra hafa dia mety ho simba. Ireo rafi-panjakàna isan-karazany no afaka misitraka ireny fananana ireny na ireo foibe amin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaràm-pahefàna. Afaka mampiasa koa ireo rafitra miady amin’ny kolikoly na rafitra mpanara-maso. Ireo no afaka manao fangatahana any amin’ny ARAI saingy tsy voatery havela hampiasa nefa fa dinihin’ny ARAI aloha hoe afaka mikojakoja azy ireny ve? Misy fanaraha-maso hentitra ataon’ny ARAI momba azy ireny. Tsy maintsy takelaka mena daholo ireny fiara ireny. Araha-maso matetika ny fikojakojàna ireny fiara ireny. Raha misy fanararaotana amin’ny fampiasàna azy dia sintonina any amin’ilay olona mampiasa azy ny fiara. Voasazy miaraka amin’ilay mpampiasa ilay rafitra iraimanontolo ka soloin’ny ARAI daholo ireo fiara nampiasaina. Mety hisy fepetra manokana ho raisina amin’ilay mpampiasa koa. Mikasika ireo orinasa kosa dia omen’ny ARAI mpitantana izy ireny ka ohatran’ny orinasa miasa rehetra ihany. Ny tombom-barotra rehetra dia mirotsaka anatin’ny antsoina hoe «compte de conciliation» an’ny ARAI. Rehefa misy didim-pitsaràna raikitra any aoriana ka miteny hoe gejaina ilay orinasa dia arotsaka any amin’ny kitapom-bolam-panjakàna ilay tombom-barotra. Averina amin’ny tompony tahaka ny endriny tamin’ny nakàna azy tamin’ilay tompony kosa ilay izy raha miteny ny fitsaràna hoe averina amin’ny tompony, hoy hatrany ny ARAI.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique