airtel

Actualités

08-mars-2024

Famokarana angovo azo avaozina

Vonona ny Alemana, asa izay ho afitsoky ny fanjakana Malagasy

Sample post image

Nitsidika ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo (MEH)

08-mars-2024

Atoa Jean-Baptiste Olivier, teny amin'ny toeram-piasany teny Ampandrianomby omaly ny Delegasiona notarihan' ny Masoivohon'ny Repoblika Federalin'i Alemana eto Madagasikara Atoa Michael Häusler. Niaraka taminy ny Tale Jeneralin’ny « Africa GreenTec Madagascar », Atoa Moritz Brauchle, sy ny Lehiben’ny Tetikasa GIZ-PERER, Atoa Carlos Miro.

Nivoitra nandritra ny fihaonana fa anisan’ny laharam-pahamehana amin'ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny fampiroboroboana ny angovo azo avaozina, indrindra ny fampidirana herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohitra. Ankoatra izay dia handray anjara mavitrika amin'ny fanampiana ara-tsosialy koa ireo orinasa sy Tetikasa Alemana izay misehatra amin'ny angovo eto Madagasikara. Hita ho manao ankisisika mafy ry zareo Alemana amin’ity resaka ity, ry zareo rahateo izay anisan’ny henjana ain’ny resaka angovo azo avaozina ary efa elaela ihany no niasa teo amin’ny sehatry ny famorakarana herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohitra.

Manana ny Alemana raha resaka angovo azo avaozina, saingy hatreto dia mbola azo ambara hoe maivamaivana ihany ny fiaraha-miasa. Ny tsy fananan’ny fanjakana Malagasy programa matotra tsara no mety mahatonga izany raha ny resaka re, fa eo dia eo ihany koa ny olana eo amin’ny resaka fitantanana sy mangaraharaha. Io moa no olana lehibe ho an’ireo mpamatsy vola tandrefana amin’ny mpitondra eto Madagasikara, indrindra fa taorian’ny zava-nitranga teto ny taona 2009.

Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap