tsy azo haondrana raha tsy voahodina!"
Nanamarika ity herinandro ity ny dia roa sosona nataon'ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina tany ivelany : niatrika ny Africa Forward na ny fihaonana "Sommet Afrique-France" tatsy Nairobi sy ny dia tao Congo nihaonana tamin'ny Filoha Denis Sassou Ngeusso. Samy stratejika amin'ny fitadiavantsika fankatoavana Iraisam-pirenena. Tatsy Nairobi, nisongadina ny nilazan'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron fa hampiasa vola 23 miliara euro aty Afrika i Lafrantsa ka ny 14 miliara euro dia ho an'ny fampiasam-bola ara-panjakana sy tsy miankina. Notsindrian’ny Filohan’i Madagasikara fa eo anatrehan’ny krizy ara-jeopolitika sy toekarena dia ilaina ny fanamafisana ny famokarana sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ny fiovaovan’ny vidin’ny masomboly sy zezika no mampihena ny vokatra, ka maro amin’ny firenena Afrikanina no miankin-doha amin’ny zezika hafarana. Madagasikara, hoy izy, dia manana tany azo ambolena 36 tapitrisa ha sy 70% ny mponina miasa amin’ny fambolena, ka azo atao ny mampiakatra ny toekarena amin’izany sehatra izany. Nampirisika ny fampiroboroboana ny agro-écologie sy ny famokarana zezika organika sy mineraly eo an-toerana ny tenany. Ara-toekarena, nisongadina ny fanambarana nataony, fa tsy ekena intsony ny fitrandrahana harena dia manondrana akora fototra, fa tsy maintsy atao eto Madagasikara aloha ny fanodinana ireo harena an-kibon’ny tany alohan’ny hanondranana azy any ivelany ny orinasa. Tanjon’ny fitondrana amin’izany ny hampitombo ny tombontsoa azon’ny firenena avy amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany, toy ny fitomboan'ny vola miditra anaty kitapombolam-panjakana, famoronana asa,... Hisy fanavaozana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon'ny, mba hahafahana mametraka rafitra mazava sy manome lanja bebe kokoa ny tombontsoam-pirenena. Mikasika ireo fifanarahana efa nisy taloha, toy ny QMM sy Ambatovy, dia nambarany fa tsy hiverenana intsony ny lasa fa ny fanatsarana ny ho avy no laharam-pahamehana. Tatsy Congo nisy fihaonanan'ny Filoha roa tonta izay heverina fa tafiditra anatin'ny famerenana an'i Madagasikara amin'ny sehatra Afrikanina. Tany ivelany moa no nanamafisan'ny Filoha fa hajaina ny fe-potoana 24 volana ka mifarana ny faran'ny taona 2027 ny Fitondrana fanavaozana. Nijery toeram-pihopiana lehibe toy ny omby mihoatra ny 20.000, izay nanomboka tamin’ny omby 100 nentina avy anyBrésil 15 taona lasa. Tanjona ny fizaràna traikefa…
Toky R