organisation internationale de normalisation » eto Madagasikara ny BNM na ny « Bureau des normes de Madagascar » araka ny fanazavan’ny tale jeneraliny Ramatoa Sitraka Zarasoa Rakotomahefa tamin’ny resaka nifanaovana taminy. Ny BNM no mamolavola ny fenitra nasionaly izay ho apetraka eto amin’ny firenena. Misy dingana maro no arahana vao afaka mamoaka ny fenitra ilaina sy mamoaka ny « Certification » na fanamarinana izy ireo. Tsy ireo mpiasa ao amin’ny BNM ihany anefa no mamolavola izany fa ireo mpikambana ao amin’ny komity teknika izay ivondronan’ny manampahaizana maro avy amin’ny sehatra na ny vokatra na ilana fanamarihana.
KOMITY TEKNIKA
Raha ny sehatry ny lavanila ohatra no mila amoahana ny fanamarinana na « certification » dia mandray anjara ao anatin’ny komity teknika ireo mpisehatra amin’ny lavanila ahitana ny Mpamokatra , ny mpanondrana lavanila sy ireo mpisehatra maro . eo ihany koa ireo manampahaizana avy amin’ny minisitera voakasika toy ny minisiteran’ny fambolena , minisiteran’ny varotra, ny minisiteran’ny indostria raha toa ka vokatra ho aodina eo ihany koa ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Ka izy ireo no mamolavola ny fenitra nasionaly. ny mpamboly ny avy amin’ny minisiteran’ny varitra ny fambolena , ny indostria. Tsy mamolavola ireo lafiny sy ny pitsony izay takiana amin’ireny fikambanan’ny mpanjifa. Mampanao fiofanana sy fanentanana ho fanarahana izany.
CERTIFICAT DE CONFORMITÉ
Manana ny sampandraharaha momba ny certification ( fanamarinana) ihany koa ny Bureau des normes de Madagascar. Izay manao fanamarinana fa tena manaraka ny fenitra nasionaly tokoa ny vokatra iray .. Mbola tsy an-tery anefa raha ny eto amintsika ny fangatahana certification. Zava-dehibe eo amin’ny tontolon’ny fandraharana anefa ny fananana azy io satria ahafahan’ny mpandraharaha manaporofo fa tena manaraka ny fenitra ny vokatra atolotra ny mpanjifa, na ho jifainy eto an-toerana na ho alefa any ivelany. Misy kosa vokatra maromaro izay takian’ny fanajakana ny fananany ny « certificat de conformité » mialohan’ny ivarotana na hamoahana azy ka ny BNM no manamarina izany mialohan’ny hamoahana io « certificat de conformité » io . Tafiditra ao anatin’izany ny « Préservatif Féminine en Latex » , ireo kojakoja ilaina amin’ny fanorenana ary ny fitaovana mpamokatra herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro, ity farany izay maimaimpoana ny fampidirana azy eto Madagasikara raha mahafeno ny fepetra.
Tapany voalohany ihany tamin’ny tafa manokana nifanaovana tamin’ny tale jeneralin’ny BNM ny androany fa ho zaraina eto ihany tsy ho ela ny tohiny.
Nangonin’i SOLOTIANA