airtel

Actualités

28-mai-2026

Fampiasàna tekinolojia

amin’ny vatsim-pianarana

Sample post image

Mbola nanahirana ny fanavaozana

28-mai-2026

Mbola nanahirana ny fanavaozana ny fampiasàna tekinolojia amin’ny fizaràna vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatry ny oniversiten’Antananarivo, raha ny fitarainan’ireo mpianatra mpikaroka nilahatra izany teny anivon’ireo sampan’ny tahirim-bolam-panjakàna teto Antananarivo tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Tsy voalamina, hoy ny fanazavàna, ny tetiandro ho an’ireo mpianatra tokony hisitraka izany. Nifangaro voraka tao avokoa ny mpianatra taona voalohany na L1 sy faharoa na L2 sy fahatelo na L3 sy izay nekena ho afaka hahazo izay vatsim-pianarana na «bourse» sy fampitaovana na «équipement» izay rehetra. Filaharambe, noho izany, no mbola naterak’ilay fandaminana tsy tomombana satria dia an’aliny ny mpianatry ny oniversite nefa tsy nisy izay tetiandro mazava nahafantarana ny fotoana tokony handraisana vatsy isan’ambaratonga izay. Izany hoe tombanana ho an’arivony maro ihany koa ny isan’ireo mpianatra nilahatra isak’ireo toeram-pandraisam-bolan’ny mpianatra. Nanodidina ny ora 4 teo, raha kely izahay, hoy ny mpianatra iray, no nilahatra teo vao nahazo ity vola 1 hetsy Ariary mahery kely ity. Tsy afaka na dia ny nitady sakafo atoandro aza fa natahotra ny ho songonan’ny hafa vao niala ny filaharana, hoy ihany ny fitarainana voaray. Andrasana, araka izany, ny hisian’ny fanatsaràna izay fandaminana izay ho an’ireo fotoana hafa manaraka rehetra, hoy hatrany ireo mpianatra naneho ny heviny.
Nangonin’i J. Mirija

Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

28-mai-2026

vahoaka ary hajaina ny heviny

Card image cap
28-mai-2026

mpiara-miasa ny depiote sy ny Ben’ny tanàna"

Card image cap
28-mai-2026

dia midika fa forongony..."

Card image cap
28-mai-2026

Ho porofoina fa afaka hampandrosoana firenena

Card image cap
28-mai-2026

azo avy amin’ny herin’ny masoandro

Card image cap
28-mai-2026

mandalo anivon'ny kaominîna

Card image cap