isaky ny litatra ho an’ny lasantsy ary 140Ar isaky ny litatra ho an’ny gazoala. Zava-dehibe izany amin’ny lafiny iray saingy nisy akony tamin’ny vidim-piainana ankampobeny ve ? Tsy hita soritra aloha izay, eny fa na ny fampidinana saran-dàlana nampanantenain’ny taksibrosy aza toa nijanona ho fanambarana nipoapoaka fa tsy hita izay fiovana. Politika sy stratejika be ny resaka vidin-tsolika, ka toa lalaovin’ny Fanjakana ny fidinana kely izay 10%n’ny fiakarana 1700Ar sy 1500Ar nanomboka ny 11 jolay 2022. Efa nolalaovina nialohan’ny fifidianana nifanesy ny tsy fampiakarana azy io, izay fepetran’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola na ny PTF, ka antony nampihisatra ny fahazoana ny tohana FEC (Facilité Elardit de Crédit) 103 tapitrisa dolara avy amin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena na ny FMI sy ny tohana ara-bola na « appui budgétaire » 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Mody milefitra amin’ny vidin-tsolika ny Fanjakana, fa mipetaka any amin’ny sehatra hafa toy ny fifandraisan-davitra, hetra, banky,… Mazava ho azy fa hiovaova ny vidin-tsolika, ka ny fidininany teo dia karazana politika fampitonitoniana saim-bahoaka ihany, tsy misy akony firy amin’ny vidim-piainana ankampobeny, fa nentina nanaovana fampitonitoniana politika. Betsaka ireo trosa nifampiditra, ny fitazotazonana ny vidin-tsolika tsy hiakatra na tsy hidina teo aloha, ny tsindry hanesorana ny resaka « subvention », ny tsy fahafahan’ny Fanjakana tonga dia maka solika amin’ireo « pétroliers » na ilay antsoina hoe : « réquisition » izay efa nihatra taona vitsivitsy noho ny tsindrin’ny PTF,… dia manomboka mihamafy sy miantraika fiainana andavanandro. Heverina ho isan’ny vao mainka mampitombo ny delestazy ankehitriny io satria manahirana ny solika noho ny tsy fahafahana manao « réquisition » ka arakaraka ny fahafahana mandoa vola no handehanan’ny herinaratra izay tsy mahaleo tena rahateo ny Jirama fa mividy amin’ny tsy miankina. Dia io iaraha-miaina io hoe : maina ny andro lazaina fa tsy ampy ny tosiky ny rano, avy indray ny orana vao mainka zava-doza fa maharitra adin’ny folo na mihoatra ny delestazy ao anatin’ny iray andro,… Tafiditra ao anatin’io mazava ho azy ny resaka solika, ankoatra ny famarotana azy ho an’ny daholobe izay tsy tena misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka hatreto fa ny serasera no atao mipoapoaka hoe : nahomby ny Fanjakana tamin’ny fifampirehana tamin’ireo orinasan-tsolika. Andrasana araka izany amin’ny tapatapak’ity febroary ity hoe : mbola hidina na ho voatazona amin’io sa hiakatra ny vidin-tsolika?
Toky R
Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka
Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry
Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,
Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.
Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)
Mbola tafiditra anatin’ny Firenena izay mbola sarotra ny fikarakarana taratasy i Madagasikara.