airtel

Actualités

04-juin-2026

Fampiroboroboana ny

fizahantany any Avaratra

Sample post image

Mampiasa ny « marketing d’influence » ny ORTDS

04-juin-2026

Ny Office Régional du Tourisme de Diego-Suarez (ORTDS) dia nanatanteraka hetsika fampiroboroboana ara-pizahantany tamin’ny alalan’ny marketing d’influence, niaraka tamin’i Francesca Veronesi, mpamorona votoaty nomerika manokana amin’ny sehatry ny fitsangatsanganana avy any Italia, izay niaraka tamin’ny mpaka sary sy mpanatontosa lahatsary. Tanjona tamin’ity fiaraha-miasa ity ny hampahafantarana bebe kokoa ireo toerana manintona any amin’ny faritra Avaratr’i Madagasikara, indrindra ao amin’ny faritra Ambanja, Ambilobe ary Antsiranana (Diego-Suarez), araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Nandritra ny diany dia nitety toerana maro malaza amin’ny fizahantany ilay influenceuse italiana. Anisan’ireo toerana notsidihiny ny fitsidihana an-tanànan’i Diego-Suarez, ny Baie d’Antalaha, ny Mer d’Émeraude, ny Trois Baies, ny Tsingy Rouge, Antagnavo, ny valan-javaboarin’Ankarana, ny Tsingy Mahaloka ary ny toerana fizahantany ao Ambobaka. Taorian’ny fijanonany sy ny fifaneraserany tamin’ireo mponina teny an-toerana dia nilaza i Francesca Veronesi fa afaka nampita tamin’ny vondrom-piarahamoniny any Italia ny mampiavaka sy ny hakanton’ny fizahantany any amin’ny faritra Avaratra izy. Araka ny fanazavan’ny ORTDS, tafiditra ao anatin’ny paikady ny fampiasana fitaovana nomerika sy ny « marketing digital » mba hanamafisana ny fahitana sy ny lazàn’i Avaratr’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
JULIA (Stagiaire)
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap