airtel

Actualités

23-févr-2026

Fampiroboroboana ny nomerika

eny amin’ny oniversite Smartphones 664 000

Sample post image

isa sy solosaina 1400 hamidy mora

23-févr-2026

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 21 febroary teo ny tetikasa fivarotana fitaovana nomerika sy solosaina amin’ny vidiny mora ho an’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo, notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana, Kôlonely RANDRIANIRINA Michael, niaraka tamin’ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana. Ny tetikasa dia mikendry ny hanamora ny fidiran’ny mponina amin’ny fitaovana nomerika sy ny hanohanana ny tanora amin’ny fianarana sy ny fikarohana. Smartphones hatrany amin’ny 664 000 no haparitaka manerana ny firenena, ary amin’ireo dia 400 000 no natokana ho an’ny vehivavy sy tovovavy, ho fandraisana andraikitra amin’ny fampihenana ny elanelana nomerika eo amin’ny lahy sy ny vavy. Ankoatra izany, solosaina finday miisa 1 400 no hamidy amin’ny vidiny mora ho an’ny mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy Oniversiten’i Fianarantsoa, amin’ny endrika tetikasa andrana. Ireo mpianatra mandray vatsim-pianarana manomboka L2 no voalohany hahazo izany, amin’ny alalan’ny fandoavana tsikelikely manomboka amin’ny 5 000 Ariary isan-kerinandro. Tohanan’ny Fonds DECIM ny fanatanterahana ny tetikasa, izay mitentina 24 tapitrisa dôlara amerikanina ho an’ny sokajy “Fitaovana nomerika mora vidy”, ary misy renivola fanampiny 97 tapitrisa dôlara amerikanina avy amin’ny Banky Iraisampirenena sy ny Association Internationale de Développement. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Fanavaozana, maneho mazava izao tetikasa izao ny fahavononan’ny Fanjakana hanamafy ny fitoviana, hanohana ny tanora ary hanavaozana ny fampianarana amin’ny alalan’ny nomerika, sady mikendry ny hanamafisana ny fahaizan’ny tanora sy ny fanohanana ny fiovaran’ny toekarena nomerika eto Madagasikara. Niantso ny tetikasa DECIM mba hanitatra ny zavatra ohatr’izao ihany koa no any amin’ny sehatry ny angovo hizorana amin’ny « transition énergétique » ny Filoham-panjakana. Antenaina hoy izy, mba hisy toy izao ny resaka « panneaux solaires » mba hizarana izany amin’ny tokantrano haloa tsikelikely, mba mamaha ny olan’ny angovo, ka miantso ny tetikasa sy ny Minisiteran’ny angovo hiditra amin’izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap