Nohainoan’ny Vaomiera mpanadihady mikasika ny Orinasa JIRAMA ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’izany Orinasa izany, omaly alakamisy 16 jolay 2026, tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Nitarika ny fivoriana ny Filohan’ny Vaomiera RAKOTONIAINA Pety, raha notahirin’ny Tale jeneraly Jly RASOLOMANANA Hajatiana kosa ny avy eo anivon’ny JIRAMA. Niompana indrindra tamin’ireo famokarana herinaratra avy amin’ny JIRAMA izy tenany sy avy amin’ireo mpamatsy herinaratra ny fanontaniana avy amin’ny Vaomiera, hoy ny tatitra. Nalaina lisitra ireo vata famokaran’ny JIRAMA mandeha amin’ny akoranafo, avy amin’ny renirano sy avy amin’ny masoandro. Notakian’ny Vaomiera mpanadihady ihany koa ny lisitr’ireo vata mpamokatra hofaina ary ny herinaratra vidian’ny JIRAMA amin’ireo mpandraharaha tsy miankina. Notakiana miaraka amin’ireo ny fifanarahana ara-barotra (contrat) amin’ireo mpandraharaha tsy miankina ireo. Fanombohana ihany ity fa mbola be ny ho avy, raha ny filazan'ny vaomiera mpanadihady. Navoitra fa tsy hihemotra ny Vaomiera fa hanohy ny asa hatramin’ny farany na be ary ny milaza « fa misy mafia » ao. Ity no atao, hoy izy, dia mba ho tamberin’andraikitra ho an'ny vahoaka izay manan-jo hahalala ny marina rehetra mikasika ity Orinasa ity. Volabe tokoa ny atosaky ny fanjakana (subvention) ho an’ny JIRAMA, efa ho 1000 miliara Ar, nefa toa tsy mifanaraka amin’izay ny vokatra azo, ka manahy ny vaomiera mpanao fanadihadiana fa misy halatra ao ambadik’izany. Tahaka izany ihany koa ny fatiantoka mitentina 734 tapitrisa Ariary vokatry ny tsy fitoviana amin’ny fanaterana sy ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso ny tahiry, ary koa ny elanelana 22,9 tapitrisa litatra « fuel-oil » teo amin’ny antontan’isa navoakan’ny Jirama sy ireo mpamatsy efatra. Asa anefa na misy ifandraisany amin'io na tsia fa ny takarivan'ity fanombohana ny fanadihadiana parlemantera ity dia nangotraka ny delestazy saika nanerana an'Antananarivo. Raha tsy dia maharitra ny fahatapahana mahazatra dia ora maro kosa omaly satria raha tapaka tamin'ny 6ora hariva teo, dia mbola tsy niverina tamin'ny 9ora alina nanoratanay ho an'ny faritra maro. Misy fifanenjanana sy don-tandroka avy amin'ireo Vondrona ara-toekarena mifehy io sehatra stratejika io sa fifandrifian-javatra ihany? Andaniny mantsy toa nisy ihany koa ireo toe-javatra naneho fanamafisana fifampitokisana teo amin'ny Fanjakana sy ireo sehatra tsy miankina ka asa hoe: delestazy teknika sa politika no misy?
Toky R