hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Patrick Raharimanana. Mazava moa fa ny fanjakana, na ny marina, ny hetra vola atsembohanao no miantoka ny lany amin'ny «castration» na famosirana, na «chimique» na simika io na «chirurgicale», izany hoe fandidiana, hoy izy. Ny «castration chimique» dia fanafody no atsindrona ilay mpanolana. Io dia fanafody manakana ny taova tsy hamokatra. Singanina eto ohatra ny Decapeptyl, izay «ampoule» atsindrona isaky ny 3 volana, tsy maintsy avaozina. Mitentina 600 Euro na 3.000.000 Ariary ny vidiny isan-telovolana. Afaka 15 andro aorian'ny tsindrona vao azo antoka ny fiasany. Tapitra ny 3 volana ka tsy nitohy ny tsindrona dia miverina ny fiasan'ny taova fananahana. Raha «castration chirurgicale» na fandidiana ny «testicules» na ny voany dia tsy maintsy fandidiana mavesatra miaraka amin'ny fampidirana hopitaly sy ireo fanafody rehetra tsy maintsy lany amin'ny fitsaboana azy. Safidy eo amin'ny fiarahamonina izany. Olona migadra mandram-pahafaty ve no andaniana 3.000.000 Ariary isan-telovolana sa ireo marary marobe eny amin'ny hopitaly tsy misy fanafody, na «coton», izany hoe vovoan-dandihazo sy savony aza iantohana? Aiza no tena olana mahatonga ny fanolanana, sao izay no mila vahana? Fahantrana, fanabeazana, fampianarana, tsy fananan'asa ka mampirongatra ny fandraisana zava-maha domelina sy ny fisotroana toaka. Tranga mampalahelo ary tsy azo ekena ny herisetra ara-nofo, indrindra, amin'ny zaza tsy ampy taona na koa ireo firaisana atao amin-kavana akaiky na «inceste». Mila jerena anefa ny salan'isa miohatra amin'ny isan'ny mponina ahitana ny amaroany na kely na betsaka, na niakatra na nidina. Arakarak'izay no andraisana fepetra fa tsy entin'ny fo amin'ny tranga iray izay tsy azo ekena tokoa, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?
Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola
Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga
Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena
Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa
Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,