Richard Randriamanambitana, fa hodioviny anaty 10 andro ny tanànan'Antananarivo ary tsy maintsy vitany izany. Mametra-panontaniana ny mpanara-baovao ankehitriny hoe raha azo atao izany ny manadio ny tanàna ao anaty 10 andro, inona no nataon'ilay ben’ny tanàna nipetraka teo nandritry ny 4 taona mahery, izany hoe manodidina ny 1800 teo? Nilalao ny fiainam-pirenena sy ny fiainan’ny tanàna fotsiny ve izany sa nihinana ny volan’ny vahoakan’Antananarivo? Angamba azo fehezina amin’ny hoe nitsangatsangana nandritry ny 5 taona latsaka fotsiny izany ny ben’ny tanàna teo aloha raha toa izany fanamby izany ka ho vitany tokoa fa dia miandry ny vokatra sy fomba fiasan’ny PDS vaovao tokoa moa. Fanontaniana mipetraka koa nefa etsy ankilan’izay ny hoe sao dia niniana tsy nodiovina mihitsy i Antananarivo mba hahafahan’ity loholona teo aloha volomboasary ity manao asa tapi-maso tahaka izany? Raha mba vita ao anaty 10 andro koa izao ny lalana rehetra dia tena hanomezana tehaka mirefodrefotra azy, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra.
J. Mirija
Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?
Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola
Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga
Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena
Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa
Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,