airtel

Actualités

18-août-2026

Fanamboaran-dàlana, sekoly, angovo,…

Nanamafy ny fahavononany

Sample post image

hiara-hiasa ny BADEA

18-août-2026

Anisan’ireo fotodrafitrasa lehibe laharam-pahamehan’ny Governemanta amin’izao fotoana izao ny fanarenana ny Lalam-pirenena faha-dimy (RN5), araka ny fanamafisan’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Efa mahatratra 83,5 % ny fahavitan’ny asa fanamboarana amin’ny ampahany voalohany, mampitohy an’i Soanierana sy Vahibe, izay mirefy 76,5 km. Ny dingana faharoa, manomboka amin’i Vohibe hatrany Mananara Avaratra, dia efa nanehoan’ny BADEA (Banque Arabe pour le Développement Économique en Afrique) ny fahavononany hanohana ara-bola ny fanatanterahana azy. Nandritra ny fandraisana ny delegasiona avy amin’ny BADEA, notarihin’i Abdellah El Bouchikhi, nanamafy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, fa zava-dehibe ho an’ny toekaren’i Madagasikara ny fampiasam-bola amin’ireo fotodrafitrasa fototra toy ny lalana, sekoly ary angovo. Ireo no fototra iankinan’ny fiainan’ny mponina sy ny fampandrosoana ara-toekarena, ary mitondra fiantraikany mivantana amin’ny fiainana andavanandro. Ho an’ny faritra Analanjirofo sy Ambatosoa, izay manankarena amin’ny vokatra toy ny vanila, jirofo, kafe ary litchi, dia hanamora ny fivezivezen’ny mponina sy ny fitaterana ireo vokatra ny fanatsarana ny RN5. Midika izany fa hisy fiantraikany mivantana amin’ny tsena anatiny sy ivelany ny fanamboarana, ary hanampy amin’ny fampitomboana ny fidiram-bola sy ny fahafahan’ny tantsaha mivelatra. Ankoatra ny RN5, dia anisan’ireo tetikasa lehibe tohanan’ny BADEA eto Madagasikara ihany koa ny Fly Over Anosizato sy ny Tetezana Mangoky amin’ny RN9, ny “voie rapide” Antananarivo–Toamasina dia tetikasa lehibe tohanan’ny BADEA amin’ny famatsiam-bola 80 tapitrisa dolara sy fanampiana 1,5 tapitrisa dolara, ny RN1 Bis mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Maintirano dia hiroso amin’ny fametrahana « revêtement » sy fanamafisana ny lalana, ny lalana Toamasina–Maroantsetra kendrena hanamora ny fivezivezen’ny olona sy ny entana amin’ny faritra avaratra atsinanana, ny fanarenana ny lalamby Fianarantsoa–Manakara (FCE), ny Tetezana Mangoky amin’ny RN9 izay tetikasa lehibe hanamora ny fifandraisana amin’ny faritra atsimo andrefana sy hanamora ny fitaterana vokatra ara-toekarena,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2026

mamokatra 16MW ao amin’ny QMM

Card image cap
17-août-2026

Andrasana amin'ity herinandro ity ny fivoaran'ny

Card image cap
17-août-2026

Sambatra ny Firenena mañana

Card image cap
17-août-2026

Tontosa ny zoma 14 aogositra 2026

Card image cap
17-août-2026

mponina ny fandrosoan'ny tanana

Card image cap