Tonga teto Madagasikara, herinandro lasa izay, ny ONUDC na ny Ofisin’ny firenena mikambana miady amin’ny zava-mahadomelina sy ny fanodinkodinana tsy ara-dalàna, hoy ny tale jeneralin’ny ARAI na ny Sampan-draharaha misahana ny harena azo tamin’ny fomba tsy mazava, Rado Rajhonson. Tonga teto nanombana an’i Madagasikara mikasika ny fampiharantsika ny fifanarahana iraisampirenena 2024 ireo, hoy izy. Andrasana, araka izany, ny valin’izay tombana izay. Misy tombana faharoa mandeha koa ankoatran’izay dia ny an’ny rafitra aty atsimon’i Afrika izay misahana ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola asa fampihorohoroana. Atao mandritry ny 3 herinandro io ka tena mbola anatin’izany isika izao. Rafi-panjakàna natao hamerina amin’ny fanjakàna ireo harena azo tsy ara-dalàna ny ARAI. Manatanteraka didim-pitsaràna no andraikitry ny ARAI dia ny mangeja fananana na «gel» sy «confiscation». Mamerina amin’ny fanjakàna ireny vola azo tamin’ny tsy ara-dalàna ireny koa ny ARAI. Anjarany ny mitahiry sy mikojakoja ireny fananana voatazona ireny mandra-pivoakana didim-pitsaràna raikitra. Ny fahaefatra farany dia mandrakitra anaty rejisitra manoka natokana ho azy ireny fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ireny. Ny SAMIFIN kosa dia sampana mpanara-maso ny fiodin’ny ara-bola eto amin’ny firenena. Misehatra kokoa amin’ny resaka famotsiam-bola sy famatsiam-bola ny resaka fampihorohoroana izy. Misy ifandraisany ny andraikitry ny ARAI sy SAMIFIN satria misy ohatra amin’ireny fifanarahana iraisampirenena, izay fangatahana azon’ny ARAI dia mangataka amin’ny SAMIFIN ny ARAI hoe misy an’ireto zavatra ireto tianay ho fantatra mikasika olona na orinasa dia manao fikarohana momba izany ny SAMIFIN dia avy eo ampitainy amin’ny ARAI ny valin’ny fanadihadiany. Mitentina 125 Miliara Ariary eo izao ny tetibola nogiazan’ny ARAI vonjimaika na «fond gelé» tao anatin’izay 4 taona latsaka nisiany izay. Mahakasika kaontim-bola miisa 2200 any ho any izay. Fiara miisa 192 no isan’izany. 161 ny fananana tsy mihetsika na «propriété immobilière». Tany misy trano miorina ny sasany amin’ireo. Efa betsaka koa ny fananana naverin’ny ARAI tany amin’ny tompony rehefa nandeha ny fitsaràna ka nahafahan’ny fitsaràna satria tsy meloka ilay olona. Any amin’ny 160 miliara Ariary any ny totaliny. Didim-pitsaràna miisa 8 hatreto no didim-pitsaràna raikitra voaray mikasika ny famerenam-bola anaty kitapom-bolam-panjakàna. Ela tsinona matetika ny fotoana ahatongavàna any amin’ny didim-pitsaràna fandravàna vokatr’ireo karazana fampiakàrana didy samihafa. Tsy raharaha momba ny ady amin’ny kolikoly ihany koa no ataon-drizareo ao fa raharaham-pitsaràna rehetra. 545 Tapitrisa Ariary no efa vonona ao raha ny mahakasika ireo didy raikitra ireo. Tsy mbola tonga anaty kitapom-bolam-panjakàna nefa ireo satria raha ny fehezan-dalàna dia tokony hisy ny atao hoe «compte particulier du trésor» na kaonty manokàn’ny tahirim-bolam-panjakàna sokafana amin’ny anaran’ny ARAI eny anivon’ny kitapom-bolam-panjakàna. Eo am-pamaranana ny fananganana an’io kaonty io izao isika, hoy hatrany ny fampitàm-baovaon’ny ARAI omaly.
J. Mirija