airtel

Actualités

26-août-2026

Fananganana

Madagasikara vaovao

Sample post image

Tsy maintsy fifidianana, hoy ireo fiarahamonim-pirenena

26-août-2026

Taorian’ny tetsy amin’ny boriboritany fahaefatra dia nitohy omaly tetsy amin’ny boriboritany voalohany eto Antananarivo ny hetsika «Ambohi-pihaonana» iarahan’ireo fiarahamonim-pirenena miasa amin’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI miasa. Hetsika fanatonana vahoaka hanamoràna ny fampidirana ny anaran’ireo olompirenena feno 18 ho ao anatin’ny lisitry ny mpifidy izy io, hoy ny fanazavàna. Nidina anatin’ireo tsena, teny amin’ny fiantsonan’ireo fiara fitatateram-bahoaka, toerana vory vahoaka samihafa ny CENI sy ireo fiarahamonim-pirenena toy ny Comité royale de Madagascar, ny Andrimaso, ny fikambanana Miahy, ny Alluma sy ny hafa tsy voatanisa. Miara-miasa amin’ireo fiarahamonim-pirenena koa ireo tanora anivon’ny Gen X,Y,Z amin’ny fandresen-dahatra ireo tanora rehetra nanatanteraka ny tolona sy ireo tanora rehetra anivon’ireo fokontany samihafa. Manana ny sampany avy manerana an’i Madagasikara ireo fiarahamonim-pirenena mandray anjara anatin’izao sy ireo tanora, izay efa samy manao ny fanentanany manerana ny nosy ihany koa. Isan’ny idinana ato ho ato, ohatra, ny any amin’ny faritr’i Menabe. Ireo fiarahamonina nahazo fahazoan-dalana hisahana fifidianana ihany no marihina fa mandray anjara amin’izao hetsika izao. Tsy maintsy amin’ny alalan’ny fifidianana no fananganana Madagasikara vaovao ka antony niantsoana ny fiaraha-mientan’ny tsirairay izany, hoy hatrany ny fanazavàna.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-août-2026

tsy nahavaha olana

Card image cap
26-août-2026

fahaverezam-panahintsika!»

Card image cap
26-août-2026

maso sy fisavana ny Minisitera

Card image cap
26-août-2026

Madagasikara hizorana

Card image cap
26-août-2026

120 tapitrisa dolara fa tsy 77

Card image cap
26-août-2026

Nifanekena ny hanatsarana ny tolotra « mobile money »

Card image cap