airtel

Actualités

16-avril-2024

Fanangonana sy fitananam-bolan’ny CUA

Mifanenjana ny mpitantana sy ny mpiaro ny SMGD

Sample post image

Miitatra ny savorovoro eo anivon’ny Kaominina Antananarivo eo anatrehan’ny raharaha fampidiram-bola sy fitantanam-bola.

16-avril-2024

Nisy ny naoty navoakan’ny Filohan’ny delegasionina manokana Atoa Richard Ramanambitana namerina ny fitakiam-bola samihafa hiantsorohan’ny kaominina ka hesorina amin’ny SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale), saingy nitsivalana izany ny Mpanolontsaina Monisipaly Lalatiana Ravololomanana, ka nampiakatra teny amin’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny Fanjakana, ary nivoaka ho mpandresy, hoy ny resaka niely. Ny Talen’ny lalàna eo anivon’ny Kaominina Atoa Eric Raherinirina kosa naneho tamin’ny haino aman-jery, fa mbola tsy nahazo “notification” mikasika an’izany ny CUA, ka mbola manan-kery ary mihatra ilay naoty mandra-pisian’ny didy raikitra, ka disoanay ny fibaikoana amin’ny alalan’ny haino aman-jery, hoy io Tompon’andraikitra io. Efa nisy ny 27 martsa nao ny naoty navoakan’ny SMGD fa raisin’ny eo anivon’ny kaominina ny hetra sy haba. Tsy misy raharaham-pitsarana mampiato io naoty io ihany koa, hoy ny Talen’ny lalàna. Ny fifanarahana tamin’ny SMGD izay nampiady hevitra teo anatrehan’ilay fitsinjarana ny vola miditra izay 60% eo no ho an’ny kaominina ary 40% ho an’ilay orinasa. Tsy vao sambany no nisy fitakiana ny hamerenana an’io hiantsorohan’ireo « régisseurs » sy « percepteurs » eo anivon’ny kaominina. Ankehitriny, miantso ny mpanolo-tsaina handray andraikitra hamerina ny fitantanana ny fidiram-bola amin’ny kaominin ny sendikan’ny mpiasa. Miantso ny Filohan’ny Filankevitra monisipaly sy ny Filohan’ny delegasionina manokana mba hampiantso ireo mpanolotsaina hivory ara-potoana ny sendikan’ny mpiasa tamin’ny alalan’ny Filohan’ny Sendika Mahaleotenan’ny CUA Atoa Jaona Clément Nirintsoa omaly. Misy ny fitoriana sy dosie any amin’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana sy ny any amin’ny Bianco efa hatramin’ny aogositra 2022, saingy tsy mbola nisy setriny hatramin’izao, kanefa nambara fa miandry fifanatrehana na “audience”sisa. Rehefa iza dia haingana ny “audience” satria miatritra fijaliana ny mpiasa satria ny mpiasa ankehitriny dia miezaka mampditra ny vola hikarakarana ny mpiasa sy ny kaominina amin’ny alalan’ny fampidiram-bola dia sakantsakanana amin’ny “procédure” sy ny “textes” kanefa raha kaominina tsy misy vola dia inona hataony eo? Hoy izy. Ohatra noraisiny ny fanapenana ny lavaka, fanadiovana ny tanàna, fanomezana karama ny mpiasa sy ny zon’ireo mpanolo-tsaina.

Fifanarahana tamin’ny andron’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina izay nambaran-dRtoa Lalatiana Ravololomanana ho nivoaka tamin’ny varavaram-be ny SMGD. Io no nasolo ny Easy park izay nanenjehana mafy an-dRtoa Lalao Ravalomanana fony izy ben’ny tanàna, saingy arovana mafy ankehitriny. Tena ho an’ny tombotsoan’Antananarivo tokoa ve ny hiarovana mafy ny fitakiam-bola sy fitantanam-bola mba tsy handraisan’ny kaominina ny fitantanana madiodio sa misy tombotsoan’olom-bitsy ahiana ho voatohintohina ka arovana mafy?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Goavana ny fanarenana miandry, raha ny toekarem-pirenena eto Madagasikara no asiana resaka.

Card image cap
16-janv-2025

Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009

Card image cap
16-janv-2025

Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny

Card image cap
16-janv-2025

Efa nahazatra ireo mpikirakira fifandraisan-davitra toy ny amin’ny alalan’ny finday hatramin’izay

Card image cap
16-janv-2025

Hita ho tena sahirana ny vahoaka malagasy, raha ny mikasika ny sosialim-bahoaka tamin’iny taona 2024 iny,

Card image cap
16-janv-2025

Niato sahady indray ny rotsak’orana izay neverina hifampitohy tao anatin’ny 3 andro,

Card image cap