airtel

Actualités

13-mars-2024

Fanaraha-maso ny fadintseranana

Miditra an-tsehatra manao fanohanana ny Amerikanina

Sample post image

Miroso amin’ny fiaraha-miasa lehibe eo amin’ny lafiny

13-mars-2024

fanatsarana ny tontolon’ny fadintseranana ny Fanjakana Malagasy sy ny governemanta. Tetikasa maharitra roa taona ity hetsika ity ary dia hanatsara ny fahaiza-manao sy ny mangarahara amin’ny rafi-pitantanana ny fadintseranana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Nampahafantarina omaly ny tetikasa, ka hitondra anjara biriky amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa amin’ny seranam-piaramanidina, indrindra amin’ny fitantanana ny mpandeha amin’ny seranam-piaramanidina sy ny fanodinana entana ny mpiara-miombon’antoka amin’ny alalan’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD) eto Antananarivo ny governemanta amerikana, amin’ny alalan’ny tetikasan’ny Sampandrahara Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID), raha toa ka ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola kosa no misolo tena ny Fanjakana Malagasy. Tafiditra ao anatin'io tetikasa io ny fampidirana tolotra mailaka “rapide service” sy ny e-varotra amin’ny alalan’ny Internet. Ny tetikasa dia manampy ihany koa ny fadintseranana amin’ny fanatanterahana ny paikady stratejika ho amin’ny fanavaozana amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fampahafantarana ny fenitra sy ny fanatsarana ny fizotran’ny asa eo anivon’ny Fadintseranana Malagasy. Nandritra ny lanonana fanokafana natao ny 12 martsa 2024 tao amin’ny Air Services Cargo Antananarivo, nanamafy ny Ambasadaoro amerikanina Claire A. Pierangelo fa zava-dehibe ity fiaraha-miasa vaovao ity. "Ny fanatsarana ny mangarahara sy ny fahombiazan'ny fadintseranana dia mety hisy fiantraikany tsara amin'ny toekaren'i Madagasikara ary hanampy amin'ny fananganana ny fitokisana ilaina amin'ny fampitomboana ny fampiasam-bola amin'ny raharaham-barotra eto amin'ny firenena," hoy ny Ambasadaoro Pierangelo. “Faly izahay manohana ny Fadintseranana amin’izao dingana lehibe amin’ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara izao”, hoy hatrany izy. Ny PNUD eto Madagasikara no hanatanteraka ity tetikasa ity. Ny tanjona dia ny hanatsara ny fitantanana eo anivon’ny Fadintseranana amin'ny alalan'ny fametrahana sehatra vaovao ho an'ny fanodinana angon-drakitra momba ny entana an'habakabaka sy an-dranomasina ary ny fampidirana ireo rafitra maoderina ao anatin'ny sehatra efa misy. Rehefa tafapetraka ny rafitra vaovao ary samy mahafantatra tsara ny fomba fiasa ny mpiasan’ny Fadintseranana sy ny mpampiasa, dia heverina fa hitombo ny vola miditra amin’ny Fadintseranana sy ny varotra miaraka amin’i Madagasikara ary haharitra roa andro monja ny fotoana hanafarana na handefasana entana an’habakabaka sy an-dranomasina. Manohana ny fampiasam-bola ara-barotra sy fandraharahana miaraka amin’i Madagasikara ihany koa i Etazonia amin’ny alalan’ny AGOA, ny tetikasa USAID/Prosper Africa Trade and Investment, ary ny fampiasam-bola maherin’ny 28 tapitrisa dolara ataon’ny tetikasan’ny USAID amin’ny cacao, zava-manitra, fiompiana trondro ary fampiasam-bola misy fiantraikany, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-févr-2025

Avo lenta ny endrika isehoan’ny kolikoly eny anivon’ireo sampan-draharaham-panjakana eto amintsika.

Card image cap
14-févr-2025

Ory hava-manana ny malagasy, hoy ny fomba fiteny heno matetika taty amin’ny taonjato faha 20.

Card image cap
14-févr-2025

Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny

Card image cap
14-févr-2025

Hotanterahana any Adis-Abeba ny 15-16 febroary izany hoe : ny sabotsy sy alahady izao ny

Card image cap
14-févr-2025

Tsy mitsahatra ny mitady izay fomba hanomezana fahafaham-po antsika mpihaino ny TOP RADIO FM 102.8.

Card image cap
14-févr-2025

Tena mampiady ny firehana politika tsy mitovy. Tsy ho an’ny olom-pirenena tsotra samy maneho hevitra dia

Card image cap