Tafakatra 231,4 miliara ariary ny tombana ofisialy voalaza amin’ny fahavoazana ara-pitaovana nateraky ny fandrobana sy fanararaotana nitranga tamin’ireo tanàn-dehibe eto Madagasikara, teo anelanelan’ny 25 septambra sy 17 oktobra 2025, nisian’ny hetsi-panoherana ny Fitondrana Rajoelina. Io no sora-bola voafaritra ao anatin’ny volavolam-panintsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na ny PLFR 2026 notaterin’ny fampahalalam-baovao an’habaka iray omaly. Ny oktobra 2025 i Andry Rajoelina fony teo amin’ny fitondrana no nilaza fa 200 miliara ariary ny fahavoazana tao anatin’ny roa andro voalohany, niampy fahapotehan’ny asa 2 000, izay niteraka fiantraikany mavesatra teo amin’ny sehatra sosialy sy ara-toekarena. Ny Fanjakana Rajoelina izay mbola teo amin’ny fitondrana anefa no namela malalaka tsy tena nisakana ny fandrobana mba handotoana ny hetsi-bahoaka ho nivadika fandrobana. Andaniny, ny Fiadidian’ny fanavaozana ny Repoblika dia maneho fa tsy voafetra amin’ny fahavoazana ara-pitaovana ihany ny vokatra nateraky ny korontana. Tamin’ireo tanàn-dehibe toa an’Antananarivo, Toamasina, Antsirabe, Toliara ary Antsiranana, maro ny asa ara-toekarena voatery nijanona na simba tanteraka, araka ny voalazan’ny PLFR 2026. Ny sehatra tsy miankina dia efa nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fampidirana ny fiantraikan’ity krizy ity ho singa fototra amin’ny fandrafetana ny tetibolam-panjakana. Ny Vondron’ny mpampiasa na « patronats » dia nanamafy fa tsy maintsy jerena ny vokatra ara-tsosialy sy ara-toekarena amin’ny famolavolana ny LFI 2026. Ho setrin’izany, nisy rafitra fanohanana ara-bola maika nampanantenaina. Ny tanjony dia ny hanampy amin’ny fanarenana sy ny famelomana indray ireo orinasa lasibatra. Mifototra amin’ny fanamaivanana ny olana ara-bola amin’ny alalan’ny fanomezana fampindramam-bola tsy misy zanabola sy ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny zanabola amin’ny trosa fanarenana. Ankoatra izany, nisy ihany koa ny fepetra ara-ketra nambara, toy ny fanomezana fanampiana voatokana, fanalefahana hetra ary fifampidinihana momba ny fanafoanana hetra vonjimaika, mba hampihenana ny tsindry ara-bola mahazo ny sehatra tsy miankina. Andrasana ny fahatanterahany…
Toky R
Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy