airtel

Actualités

23-févr-2026

Fanarenam-pirenena

Nampahafantarina ny fandaharan’asa «Ady fototra»

Sample post image

Nampahafantarina tetsy amin’ny

23-févr-2026

tranompokonolona Analakely ny sabotsy teo ny fitsanganan’ny fandaharan’asa «Ady fototra» ho fandraisan’anjaran’ireo olompirenena tomponandraikitra amin’ny fanarenana ny firenena taorian’ireny tranga samihafa nisy teto amin’ny firenena nanomboka ny 25 septambra 2025 ireny. Ny hetsika Move on no tompon’antoka amin’izy ity, raha ny fampitàm-baovao voaray teny an-toerana. Maharitra 3 taona eo ny fandaharan’asa izay hiresahana betsaka mikasika ny fampivoarana ny tena, ny fanabeazana maha olompirenena, ny fitiavan-tanindrazana, hoy i Herinjaka Randrianirina, fantatra amin’ny hoe Njaka adala, tomponandraikitra voalohany anaty fandaharana. Resy lahatra ny Move on fa ny olompirenena tsirairay dia tokony ho singa mitondra fampandrosoana avokoa ka mila mazava, noho izany, hoe tokony atodika mankaiza ireo singa mitondra fampandrosoana ireo, hoy izy? Tsy misy vina itambarana, tsy misy fifampifehezana itambarana dia lasa mifandondona eny fotsiny isika fa tsy mivoatra. Eo ny fahabangan’ny haitarika fa eo koa ny tsy fitoviam-pijery mikasika ny atao hoe fampandrosoana. Anjaran’ny mpitondra firenena no tokony hamaritra hoe izao ilay izy. Tokony hamorona fijery iombonana isika hoe toy izao ny modely ara-toekarena sy sosialy hitondràna ny fampandrosoana ity firenena ity. Ny votoatin’izao fandaharan’asa izao, araka izany, dia fampatongavan-tsaina ny olompirenena rehetra hoe miainga aminy ny fampandrosoana. Namorona didy folon’ny Ady fototra moa ny hetsika. Ohatra amin’izany ny hoe inona no ambadiky ny fahaizana miarahaba olona eny an-dalana? Mety misy antony miisa 5 ny mahatonga ny olona tsy miarahaba dia mila vahana tsirairay ireo fa tsy tonga dia terena. Ny olompirenena rehetra no kendrena ao anatin’ny fandaharan’asa manomboka eny amin’ny CEG sy lisea. Efa mandeha moa ny fifampiresahana amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Eo koa ny ray aman-dreny hampita izany amin’izany, hoy hatrany ny fanazavàna.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-sept-2026

demokrasia no tena mipetraka ny kolikoly»

Card image cap
07-sept-2026

Tsy mba miova ny tantara fa ny

Card image cap
07-sept-2026

hanamboaran-dalana eto Madagasikara

Card image cap
07-sept-2026

Hametraka ho laharam-pahamehana

Card image cap
07-sept-2026

Voalaza ho antony nahafaty olona tao amin’ny "Bloc opératoire"

Card image cap
07-sept-2026

Sinoa roalahy voatana am-ponja ao Tsiafahy

Card image cap