airtel

Actualités

20-avril-2026

Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany

Lasa tsipy hoditr'akondro

Sample post image

ho an'ny Filoham-panjakana...

20-avril-2026

Miteraka adihevitra sy tsikera mivaivay foana rehefa misy olona ambony miteny zavatra hafahafa vokatry ny hafanam-po na fanasohasoana be fahatany, ary mety masiaka raha hiteny hoe "fisolelahana" saingy izay no ilazan'ny olom-pirenena azy. Iray amin'ireny ny nilazan'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Ato Gascar Fenosoa tao Toliara hoe: "Teraka eto Madagasikara ny Rain'ny fanavaozana dia ny Kolonely Michael Randrianirina. Izy no Nelson Mandela Malagasy". Nangatahiny hitsangana ny Filoha fa tsy nitsangana raha tsy efa handihy. Mbola nampiany hoe rariny raha misy mikasa hifofo ny ainao satria be no ho very fihinanana. "Isaorako manokana ny rahalahiko mijoro amin'ny Kolontsaina ary fitaratra ho an'ny Malagasy Koufali Daya", hoy ihany koa ny Minisitra Gascar Fenosoa. Kabary isan'ny niteraka adihevitra sy kiana mivaivay io. Toa zary lasa manaratsy endrika sy tsipy hoditr'akondro ho an'ny Filoham-panjakana aza. Isan'ny namotika ireo mpitondra teto amintsika ny fanasohasoana be fahatany, ny fanaovana mpitondra ho Andriamanitra kely,... hany ka lasa tsy misy arofaninana intsony, fa lasa heverina fa mety daholo izay ataony, raha raisina amin'ny Fitondrana teo aloha. Heverina fa manana ny fahintsiany, manana fahamendrehany, manana hevitra tsara eritreretiny hitondrana ny Firenena ny Filoha,... Mety tsy ho voasarika amin'ireny fanasohasoana azy ireny, saingy lasa manaratsy endrika azy sy ny Fitondram-panjakana ny fihetsiky ny mpitondra sasany. Zavatra maro moa ny nanamarika ny dian'ny Filoham-panjakana tany Atsimo ny faran'ny herinandro teo toy ny fanomezam-boninahitra ny festival Tsapiky, fanokanana tsangam-bato ara-kolontsaina, fanolorana fitaovana ara-informatika an-jatony ho an'ny oniversite, fitokanana Ivontoerana fiofanana iraisam-paritra ho an'ny infirmiera, nijery ny tahirina « gaz » tao Mahaboboka Sakaraha,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-avril-2026

amin’ny Fanjakana sy ny PTF

Card image cap
20-avril-2026

ny fanenjehana ny Mopera Pédro

Card image cap
20-avril-2026

fandraisana lesona amin'ny tsikera"

Card image cap
20-avril-2026

Tanora iray voapoizina teny Ambohimalaza

Card image cap
20-avril-2026

Efa hita taratra tanteraka ny fanavaozana

Card image cap