Notanterahina, omaly, teny amin'ny Oniversite an’Antananarivo ny fanolorana ny boky mirakitra ireo fehin-kevitra sy fanamby momba ny Fanavaozana sy ny fanorenana ny Firenena, vokatry ny asa fikarohana sy fandinihana nataon’ireo Akademisianina ao amin’ny Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra sy ny Siansa Maha Olona. Niatrika izany ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison. Ity farany izay nanasongadina fa adidin’ny manampahaizana ny manolotra hevitra hanatsarana ny fitantanana ny Firenena, ary ilaina ny fihainoana satria “tsy misy olona tampim-pahaizana.” Ramatoa Minisitra Hanitra Razafimanantsoa kosa nanambara fa maneho ny fahavononan’ny tontolo akademika handray anjara mavitrika amin’ny Fanavaozana izao hetsika izao. Nohamafisiny fa ilaina ny fiaraha-mientan’ny manampahaizana, mpikaroka, tanora ary ny olom-pirenena amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fiaraha-mandinika. Nandritra ny lahateniny, ny Profesora Rarivomanantsoa dia nanamafy fa ny Fanavaozana dia dingana lavitra ezaka, tsy mora tanterahina ary mitaky fotoana sy faharetana. Nohamafisiny fa tsy maintsy miorina amin’ny finiavana iombonana sy ny fandraisana andraikitra iombonana izany, ary tsy maintsy miainga eny ifotony raha tiana haharitra sy hahomby. Maneho ny fiaraha-mientan’ny tontolo akademika sy ny Fanjakana amin’ny fanorenana Repoblika matanjaka miorina amin’ny fahalalana, ny fifanajana ary ny tombontsoa iombonana izao hetsika izao. Nanatrika ity fotoana ity ny Minisitry ny Fampianarana Ambony Ravonimanantsoa Manda-Vy, ireo tompon’andraikitry ny Oniversite, mpampianatra mpikaroka ary mpianatra maro.
Jean D.
Ny Minisitry ny fanavaozana Hanitra Razafimanantsoa nandray ny boky natolotry ny Profesora Rarivomanantsoa