airtel

Actualités

28-mai-2026

Fandaminana ny Firenena

Mila fantatra ny marary ny

Sample post image

vahoaka ary hajaina ny heviny

28-mai-2026

Malaza amin'izao fotoana ny hoe : fikaonandoham-pirenena, fakàna ny hevitry ny vahoaka isam-pokontany, teny ierana. Hanomboka ny 3 jona 2026 ilay fikaonandoham-pirenena ka avy amin'io no hivoahan'ireo foto-kevidehibe hitantanana ny firenena. Efa samy dodona ny rehetra hoe hanao ahoana ny ho fizotrany, Mifarana amin'ity herinandro ity ny volana mey koa raha ny tokony ho izy izany dia efa nizaraina ny taratasy fanasana ary efa miainga ny fiantsoana. Ahoana ny mety ho endrik'ilay hoe fihainoana ny hevitry ny fokonolona ? Iza no mitarika ny fivoriana fakan-kevitra isam-pokontany. Efa mazava ny resaka fa ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) no mitarika ny fikaonandoha fa any amin'ny tantsoroka ara-pitaovana no miditra ny fanjakana fa ilay fandaminana eny ifotony no tena andrasana satria maro be ny olom-pirenena tena te hilaza ny heviny. Ambara hatrany moa hoe an'ny vahoaka ny fahefana, ny vahoaka no masi-mandidy fa amin'ny fomba ahoana no hanatanterahana izany, izay fifidianana nifandimby natao teto mantsy toa tsy tena nahitana taratra io fanehoan'ny vahoaka ny fahefany io, be loatra ireo ahiahy tsy ihavanana ary ireny hitam-poko hitam-pirenena ireny ny hosoka sy hala-bato. Aleo mba tena hiteny izahay ary aoka ilay tena hevitry ny vahoaka marina no ho voarakitra any amin'ny fehin-kevitra farany fa tsy sanatria zavatra efa namboamboarina mialoha, hoy ny raim-pianakaviana iray izay tena manaraka akaiky ny raharaham-pirenena. Tsy mahazo manandrakandrana intsony ny malagasy fa raha sanatria mitsefotra eo io fikaonandoham-pirenena io dia tena ho zava-doza ary hanimba fiarahamonina sy toekarena. Tsy manan-tsafidy noho izany ny mpikarakara fa tsy maintsy manao izay ahatomombana ny dinika, tokony ampirimina mihitsy aloha ny mety tsy fifankazahoana na hambom-po diso toerana fa ny soa ho an'ny malagasy, ny soa ho an'ny firenena jrery ihany no tokony ho hery manosika ny tsirairay amin'ny asa ataony sy manandrify azy. Azo atao tsara ny manavao , mandamina sy manarina ny firenena rehefa fantatra ny hetahetam-bahoaka ary hajaina ny heviny, mandeha ho azy ny resaka asa sy ny ambiny avy eo.
RTT

(Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

28-mai-2026

mpiara-miasa ny depiote sy ny Ben’ny tanàna"

Card image cap
28-mai-2026

dia midika fa forongony..."

Card image cap
28-mai-2026

Ho porofoina fa afaka hampandrosoana firenena

Card image cap
28-mai-2026

azo avy amin’ny herin’ny masoandro

Card image cap
28-mai-2026

mandalo anivon'ny kaominîna

Card image cap
28-mai-2026

Misy tsy manaiky hifindra

Card image cap