Niroso tamin'ny fanambarana ny Vaomiera mpanao fanadihadiana parlemantera momba ny fitantanana ny orinasa JIRAMA, Pety RAKOTONIAINA, notronin’ireo mpikambana ao amin’ny Vaomiera omaly, mikasika ny fandoavana faktiora amin'ny alalan'ny tambajotra finday. Nivoitra tamin’izany fa efa nisy fivoriana matetika natao teo amin’ny Vaomiera sy ireo tompon’andraikitry ny Mobile Money (Orange Money, Airtel Money ary Mvola) miaraka amin’ny orinasa JIRAMA, mikasika ny olana amin’ny fandoavana faktiora amin’ny alalan’io rafitra io. Araka ny fanambarana, hisy fanatsarana ny fomba fiasa mba hialàna amin’ny fitarainan’ny mpanjifa. Nangatahana ihany koa ny mpanjifa mba handoa ny faktiora alohan’ny fe-potoana farany voalaza. Tsy maintsy aloa alohan'ny fe-potoana farany voafaritra ny vola, ary alefan'ny mobile money amin'ny Jirama. Averin'ny Jirama amin'ny mpanjifa ny vola raha misy ny porofo fa nisy fandoavana in-droa ny vola, ary zon'ny mpanjifa tanteraka ny mitaky izany. Navoitra ny hiezahana hanatsarana ny tolotra. Miantso ny mpanjifa hanamarina ny faharaisana fanamarinana izay misy "référence" avy aminy sy hitahiry izany ireo orinasa Mobile Money. Navoitra fa tsy afa-miala amin'ny "digitalisation" isika, misy ny indro kely fa manatsara foana,... Nanentana ny vahoaka hanana fahatokisana amin’ny fandoavam-bola amin’ny alalan’ny Mobile Money ny Vaomiera sy ireo orinasa Mobile Money, manomboka izao. Nosoniavin’ireo solontenan’ny Orange Money, Airtel Money, Mvola, ny JIRAMA ary ny Vaomiera mpanadihady parlemantera ity fanambarana ity, ho porofon’ny fifanarahana nifanaovana mba hanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny orinasa JIRAMA sy ireo mpanjifany mandoa vola amin’ny alalan’ny Mobile Money. Efa misy ity resaka ity dia mba fampahatsiahivana angamba no atao hoe: Asa mba aiza sy nankaiza etsy andaniny ilay fanadihadiana ny fanadihadiana parlemantera efa taona maromaro lasa momba ireo orinasam-pifandraisana teo anatrehan'ny fitarainan'ny vahoaka momba ny tolotra, ny resaka fahana, vola, sarany midangana,...?
Toky R