airtel

Actualités

20-avril-2021

Actualités

Fandoroana ala Mitovy amin’ny fandoroana banky

Sample post image

Araka ny nolazain'i Filohampirenena, Andry Rajoelina, dia tena manan-danja sy sarobidy ho an'ny firenentsika ny fikarohana momba ireny raokandro

20-avril-2021

 

 

  malagasy sy zavamaniry ananantsika marobe ireny ka manampy ny vahoaka malagasy amin'ny ara-pahasalamana, hoy ny tatitra nataon’ny minisitry ny tontolo iainana omaly, Baomiavotse Vahinala Raharinirina. Mankasitraka azy manokana izahay eto amin'ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy tamin'ny nanomezany toky fa hampiana ary homena sehatra ny vokatra Ed1 rehefa avy mahafeno ny fepetra rehetra ara-tsiansa takian'ny fenitra ara-pahasalamana sy ara-barotra, ao anatin'izao tolona atrehantsika izao. Ankoatra ny maha loharanom-pahasalamana azy ireny dia loharanon-karena ny zava-maniry maro misy eto amintsika ary tokony harovana sy ho kolokoloina. Ny fandorantsika ny ala sy ny faritra arovana eto Madagasikara dia mitovy amin'ny fandoroana ny banky satria dia ireo tokoa no banky voalohany ananantsika ary voajanahary. Ny ankamaroan'izy ireny rahateo dia tsy manam-paharoa fa isika irery ihany no manana azy manerana izao tontolo izao. Koa aoka isika ho sarotiny tompokolahy sy tompokovavy, hoy hatrany ny minisiteran’ny tontolo iainana na MEDD.

 J. Mirija

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Feno 7 taona katroka omaly 02 mey 2024 ny onjam-peo Top Radio 102.8 FM amin’ny endriny ankehitriny

Card image cap
03-mai-2024

Tsy afa-misaraka amin’ny hery politika na «régime politique»

Card image cap
03-mai-2024

Mampita vaovao marina sy manabe ny fiarahamonina no isan’ny andraikitry ny mpanao gazety

Card image cap
03-mai-2024

voahosotry ny big win philantrophy ho tompondakan’ny fanjarian-tsakafo ingahy Filoham-pirenena Malagasy.

Card image cap
03-mai-2024

Notokanana omaly 02 mey 2024 ny tobim-pamokarana avy amin’ny rano ao Behenjy, distrikan’Ambatolampy,

Card image cap
03-mai-2024

Lehilahy Malagasy efa manodidina ny 40 taona i Jean Mickael Rakotoniaina.

Card image cap