airtel

Actualités

20-mai-2025

Fandraisana ho miaramila

Misy mitaraina fa mila hatrany amin’ny 10 tapitrisa vao tafiditra…

Sample post image

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

20-mai-2025

fandraisana miaramila miisa 820 ho an’ny tafika, ka namoahan’ny Minisiteran’ny foloalindahy herinandro lasa izay fa ao anatin’ny fangaraharahana tanteraka ny fandraisana izany, tsy misy « quota », tsy misy fandoavam-bola,… ka nilazana sy nanomezana toromarika hoe : sahy mitoroka izay mahita kolikoly. Na izany aza, misy ny milaza sy maneho, fa tena misy ny kolikoly sy kiantranoantrano mivantana na ankolaka, saingy saropady sy stratejika be moa ny resaka tafika, ka mitandrina ireo mahatsiaro lasibatra. “Ex-militaire aho, ary manoratra amin’izao, ho fanehoana ny alahelo sy fahadisoam-panantenana lalina amin’ny zava-misy marina sy mitranga ao anatin’ny rafitra tokony hiaro sy hanome lanja ireo nanao fanompoam-pirenena am-pahendrena.”, hoy vavolombelona iray. Tamin’ity taona 2025 ity, hoy izy, misy ny Rengagement (820) ho an’ny tafika, nefa na ny Chef de service izay niasako sy nahavitàko fanompoana aza, dia nilaza fa tsy manana “quota” (isan’ny olona azony ampidirina) ho an’izany. Izany hoe, na dia Colonel feno (Officier Supérieur) aza izy ao amin’ny tafika Malagasy, tsy afaka manampy anay izay niasa taminy. Ary efa taona farany ho ahy amin’ny fanantenana, satria tena tonga amin’ny fetra ny taona ahafahana manao « rengagement ». Niandry 2 taona aho hatramin’ny nahavitàko fanompoam-pirenena, nanantena hiaina fahafahana hanohy, satria nanao fanompoana am-pitiavana sy amin’ny fahadiovam-po, saingy izao no valiny: izay manambola sy mahalala olona ambony ihany no tafiditra. Ary efa resabe mihitsy, hoy ny olona, fa efa tafakatra 10 tapitrisa Ariary ny vola ilaina amin’izany. Dia inona moa no atao hoe ady amin’ny kolikoly, raha toa ka miverina amin’ny mahazatra sy rafitra tsizarizary hatrany no iainana? hoy io fijoroana vavolombelona io. « Tsy manao kolikoly izahay. Tsy mahalala olon-kafa afa-tsy ilay lehibeko teo aloha. Fa ireo manana vola sy mahay miketrika amin’ny fomba maloto no voaray, na tsy mahafehy ny andraikiny aza, tsy manana traikefa akory, fa manana zavatra hatolotra amin’ny endrika “kolikoly”. Izaho manokana, nifindra tao amin’ny Tafika amin’ny maripahaizana mazava, manana BEPC sy BACC,… saingy very an-javony. Tsy rariny ! Ary tena mampalahelo fa ny lanjan’ny Tafika dia mihena, tsy eo imason’ny vahoaka ihany fa eo amin’ireo hery hafa (forces) eto amin’ny firenena ihany koa. Tsy misy fanavahana ara-pahaizana, tsy misy fankasitrahana ny fahamarinana sy ny fahavononana, fa vola sy fifandraisana ambony ihany no manan-danja. Ho an’ny BIANCO sy ny Fanjakana: tsy misy zavatra azonareo atao ve raha tena miady amin’ny kolikoly ianareo? Tsy tokony ho tandindomin-doza ve ny rafitra iray raha izay nanao fanompoana madio no ariana, ary izay mividy seza no omena vahana? Hoy hatrany io fijoroana vavolombelona io.
Toky R

 

Dans la même rubrique

11-juin-2025

Fotoana izao anovana ny rafitry ny angovo eto Madagasikara, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena,

Card image cap
11-juin-2025

Mitohy ny fandromban'ny mpijirika ny harem-pirenena Malagasy.

Card image cap
11-juin-2025

Raikitra ny Foaraben’Ambohidrapeto andiany voalohany,

Card image cap
11-juin-2025

Inoanay fa tsy hanoso-bohon-tanana anay ny sehatra iraisampirenena,

Card image cap
11-juin-2025

Tafody eto Madagasikara ny 5 jona teo ireo malagasy miisa 9

Card image cap
10-juin-2025

feno avokoa ireo fitaovana fototra rehetra ho an’ny fananganana ny tobim-pamokarana

Card image cap