airtel

Actualités

24-févr-2022

Actualités

Fandrodanana ny tranony Nalaheo mafy ny Jeneraly Tsaranazy

Sample post image

Nitondra fanazavana ny Jeneraly Tsaranazy Jean Emile omaly taorian’ny fandrodanana ny tranony etsy Ampasapito ny talata lasa teo.

24-févr-2022

Nambarany fa nanomboka tamin’ny andron-dRatsirahonana Filohan’ny tetezamita no namoaka lalàna, fa ny fonksionera rehetra mipetraka amin’ny tranom-panjakana, dia afaka mividy io tranom-panjakana io. Nilaza ity Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro teo aloha ity fa nanomboka ny 1986 na 40 taona taona latsaka kely no nipetraka teo, ary izy no namefy sy nangataka ny tany 6000m2. Nambarany fa narahany ny dingana rehetra, ary nahazo “avis favorable” tamin’ny minisitera izay tompony, ka tsy an’ny Météo intsony ny tany nanomboka teo. Nahazo ny fankatoavan’ny fanajariana ny tany sy ny Fitantanana ankampoben’ny Fananan-tany ny 12 aogositra 2008. Ny zava-nitranga teo anelanelany anefa, dia nisy mpiasan’ny “météo” miisa 4 nisoloky nandefa taratasy tany amin’ny Sampan-draharahan’ny fananan-tany nilaza fa io tany laharana 11153 dia tsy ilain’ny Jeneraly Tsaranazy manontolo, fa ampahany ihany, saingy nambarany fa hosoka, ary tsy soniany sy sonian’ny vadiny Rtoa Razafy Christine izay Tale Jeneralin’ny Météo teo aloha izany no tao fa hosoka. « Eo am-panarenana ny marina ny Sampan-draharahan’ny fananan-tany hamoaka didim-panjakana amin’izao fotoana izao, dia milaza fa nekena ny fangatahanay mivady ny hanomezana manontolo ny tany. Miato anefa aloha ny fanaovana sonia satria izany, hono, no toromarika avy any amin’ny Filankevitry ny minisitra, ka manaja sy miandry ny rariny », hoy ny fanazavany. Naneho anefa ity Jeneraly ity, fa rahampitso na rahafakampitso, raha toa ka tapitra ny fe-potoana hanaovana ny fampiatoana kanefa mandeha mialoha ity fandrodanana dia eo vao ho raikitra ilay tantara. « Izaho amin’izay fotoana izay hahazo ilay didy ara-dalàna momba ny kanefa ny fandrodanana natao mialoha, ary tsy nisy taratasy fampandrenesina tamin’ny daty sy ny pitsopitsony, kanefa ny “taxe d’habitation” tonga ara-dalàna. Trano 3 ihany koa no natsangany tsy nisy olana, fa ny fahaefatra vao tratran’izao ka nilazany fa mahagaga. Tsy mbola misy didy raikitra, ny taratasy dia lazaina amiko fa an-dàlana na “en cours”, ka tsy ekena ny fandravana ary ho sarotra raha mbola mitohy, hoy ity Minisitra teo aloha ity.
Toky R


 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Feno 7 taona katroka omaly 02 mey 2024 ny onjam-peo Top Radio 102.8 FM amin’ny endriny ankehitriny

Card image cap
03-mai-2024

Tsy afa-misaraka amin’ny hery politika na «régime politique»

Card image cap
03-mai-2024

Mampita vaovao marina sy manabe ny fiarahamonina no isan’ny andraikitry ny mpanao gazety

Card image cap
03-mai-2024

voahosotry ny big win philantrophy ho tompondakan’ny fanjarian-tsakafo ingahy Filoham-pirenena Malagasy.

Card image cap
03-mai-2024

Notokanana omaly 02 mey 2024 ny tobim-pamokarana avy amin’ny rano ao Behenjy, distrikan’Ambatolampy,

Card image cap
03-mai-2024

Lehilahy Malagasy efa manodidina ny 40 taona i Jean Mickael Rakotoniaina.

Card image cap