airtel

Actualités

30-juil-2026

FANGATAHANA TANIM-PANJAKANA

Dingana 13 no arahina hahafahana misitraka azy

Sample post image

Betsaka ireo karazan'olona maniry

30-juil-2026

hisitraka tanim-panjakana eto amintsika mba ho azy tanteraka izany. Misy anefa ireo karazana dingana arahina miisa 13 mba hahatrarana izany. Lohalaharana amin'ireny ny fanaovana saritany (plan) any amin’ny sampandraharahan’ny Fadrefesantany (service topographique) ka tsy maintsy midina any an-toerana ilay mpangataka mamaritra ny tany izay hangatahina. Raha azo angatahina ny tany dia afaka miroso amin’ny famenoana ny « formulaire » amin'izay. Aterina ao amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany (Service des domaines) ny « formulaire » hitahirizana (enregistrement) ny antontan-taratasy. Miaraka amin’izay ny fahazoana ny laharan’ny tany, ary iny ihany koa ny daty fanombohan’ny fangatahana any amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany izay hialohavan’ny fandoavam-bola antoka (cautionnement).
MISY FITSIRIHANA INDROA
Misy ny fidinana ifotony (constatation des lieux) hataon’ny Kaomisionina tarihin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany sy ny Fandrefesantany aorian'izany ka antsoina ny tompony sy ireo mpiray vody rindrina mialohan’izany. Ny Kaomisiaonina no manao fintanana an-tsoratra ny mahakasika ny eo ambonin’ilay tany angatahina toy ny fanorenana na fambolena ary izay nanajary izany. Izy ireo ihany koa no mametraka ny heviny (avis) amin’ny fanomezana na tsia ilay tany. Mitohy amin’ny fitsirihana faharoa (2nd repérage) ny dingana aorian’ny fahazoan’ny sampandraharahan’ny Fandrefesantany ny antontan-taratasy . Rehefa vita izany dia alefa any amin’ny «autorités des décisions». Manome tolo-kevitra ny lehiben’ny fari-piadidiana (chef circonscription) na omena na tsia ny tany, ny anton’izany ary mametra ny vidiny . Mametraka ny sampandraharaham-paritra raha mitombina ny fanomezana na tsia, ary ihany koa ny fanapahan-kevitra (décision) ao. Rehefa tsy misy fanamarihana avy amin’ny «autorités des décisions» dia miroso amin’ny «immatriculation» ny tany. Ny tany voasoratra amin'ny anaran'ny Fanjakana Malagasy ihany mantsy no azo omena ny mpangataka. Raha tsy mitombina kosa ny fangatahana, dia tsy tohizana intsony ny dingana. Rehefa ekena ny fangatahana dia mety ho ny tany rehetra (totalité) na mety ho ampahany, arakarakin’ny zava-misy ao amin’ny fangatahana.
MAHAZO VAOVAO FOANA
Amin’ny fotoana hivoahan’ny ny fanapahan-kevitra dia hampahafantarina ny mpangataka. Homanina ny antontan-taratasy rehetra hanaovana ny «Immatriculation» sy ny tsato-bato dia alefa any amin’ny sampandraharahan’ny Fandrefesantany. Ny titra kosa dia any amin’ny sampandraharahan’ny Fanananantany. Ny tompon’ny tany no manome ny anaran’ny tany izay mety aminy. Rehefa vita izany dia midina ifotony ny Sampandraharahan’ny Fandrefesantany manao ny tsato-bato, ary misy fiantsoana ireo voakasika indray. Raha tsy misy olana ny fanatanterahana ny tsato-bato dia averina any amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany indray ny antontan-taratasy sy ny tatitra (PV) nanaovana ny «immatriculation» ary ny saritany mifanaraka amin’izany. Hampahafantarina ilay mpangataka ny tany amin’ny alalan’ny «avis de paiement» ny vola tokony alohany, any amin’ny «Provision Domaniale» ary mahazo fanamarinana (quittance) izy rehefa voahefa izany. Ao anatin’ny iray (1) taona no tokony handoavana izany, ka raha tsy tanteraka izany ao anatin’io fe-potoana io dia azo atao ny manao fanohanana ny fangatahany. Manao sonia ny taratasim-pivarotana ny mpangataka ary alefa any amin’ny «autorités d’approbation» : fileovana (préfet) na any amin’ny foibe. Miverina any amin’ny foibem-pitantanana ara-ketra (centre fiscal) anaovana ny « enregistrement ».Miroso amin’ny fanoratana amin’ny «livre foncier» izay «registre» nampiasain’ny sampandraharahan’ny Fananantany hanoratana ny titra an’ny olona tsirairay izay misoratra ao aorian'izany. Omena ny tompony ny « Duplicatat du titre » na dika mitovy amin’ilay « livre foncier » ao amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany. Noho ny ODOC na titra faobe izay karakarain’ny Minisitera moa dia haingana sy mora kokoa ny fangatahana ny tany. Mitambatra amin’ny toerana ny fangatahana ka manamora ny fanatanterahana ny «procédure», sy ny vidin’ny tany satria ny Fanjakana dia mitsinjo manokana an’ireo mpangataka tafiditra ao anatin’ny ODOC. Eny amin’ny peta-dridrina eny amin’ny circonscription tsirairay avy no ahitana ny sarany.
Nangonin'i Pati
Légende : Azon'ny rehetra hangatahina ny tanim- panjakana !
 

Dans la même rubrique

31-juil-2026

Naneho ny ahiahiny ny governemanta Amerikanina

Card image cap
31-juil-2026

voasambotra sy voatsara…

Card image cap
31-juil-2026

Efa nilatsaka ny didy, tsy maintsy haverina ny fifidianana

Card image cap
31-juil-2026

hamaritra ny fivoahany na tsia…

Card image cap
31-juil-2026

ny reniny sy zokiny

Card image cap
31-juil-2026

Tavela ao Fianarantsoa nanomboka tamin'ny Alahady

Card image cap