airtel

Actualités

15-janv-2026

Fangejana ara-bola ny SODIAT sy Polyclinique Ilafy

Nivaha amin’ny ampahany,

Sample post image

afaka hamoaka karama 2,17 miliara Ar

15-janv-2026

Navoakan’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly PAC ny didy manan-danja mikasika ny raharaha SODIAT sy Polyclinique Ilafy, izay manambara fa ny karaman’ny mpiasa volana Desambra 2025 ao anatin’ny orinasa maro an’i Mamy Ravatomanga dia tsy maintsy aloa mivantana amin’ny kaonty bankin’ny tsirairay. Ity fanapahan-kevitra ity dia vokatry ny fangatahana sy fanoherana napetraka, izay nambara ho azo ekena sy nankatoavina ampahany, ka nitarika ny fanesorana amin’ny ampahany ny fanakanana vola na « mainlevée partielle » tamin’ireo kaonty banky an’ny orinasa BRICOM sy ireo kaonty hafa mifandray amin’i Maminiaina Ravatomanga. Nanamafy ny Fitsarana fa ny fandoavana karama dia tsy maintsy tanterahina amin’ireo orinasa miisa 40 eo ho eo, anisan’izany ny BRICOM, Auto Diffusion SA, Madagascar Maintenance Pétrolière, Polyclinique Ilafy, Société Immobilière d’Ambohidratrimo, Alliance Export, Alliance Immobilière de Tamatave sy Tananarive, Azura, CIP Immobilier, SODIAT, HR Company, Madagascar Aviation, Médias de Madagascar, Proximed, Sky Services, SMC Presse, Trans Ocean Airways, VCUBE Madagascar sy ny hafa. Mitentina 2.177.023.000.000 ariary ny vola voatokana amin’izany, izay mizara ho 435 381 990 ariary ho an’ireo orinasa « rattachées » na mifamatotra amin-dRavatomanga ary 1 741 641 018 ariary ho an’ny vondrona SODIAT. Ankoatra ny fandoavana karama, nanome baiko ihany koa ny fitsarana ny amin’ny fanohanana ny Polyclinique Ilafy amin’ny fividianana fanafody sy ny fampandehanana ny fitsaboana, indrindra ho an’ireo marary manao dialyse, araka ny fangatahana avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamana sy ny Polyclinique. Didiana ny banky hanatanteraka ny fandoavana sy hanolotra tatitra amin’ny fitsarana, ary ny mpampanoa lalàna sy ny mpitandro filaminana dia voatery hanampy amin’ny fanatanterahana ny didy. Ity fanapahan-kevitra ity dia manamarika ny fijoroan’ny governemanta amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsy maty manota, ary manamafy ny fahaleovantenan’ny fitsarana amin’ny fanomezana vahaolana ara-dalàna sy amin’ny fiarovana ny zon’ny mpiasa sy ny marary.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Iaraha-mahita amin’izao fotoana izao

Card image cap
05-mars-2026

Nanao ranty fampahafantarana

Card image cap
05-mars-2026

mbola afaka mianatra

Card image cap
05-mars-2026

Nanolotra 68 miliara Ar ho an’i Toamasina ny Fanjakana Japoney

Card image cap