miandry famoahana
Mitentina 1,085 lavitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara, saingy mbola miandry famoahana sy fanatanterahana. Nifampidinika ny Governemanta Malagasy sy ny solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena eto an-toerana omaly 7 septambra 2026 tao Mahazoarivo, momba ireo sakana lehibe manemotra ny fidiran’ireo tetikasa amin’ny dingana fampiharana. Voaresaka manokana ny fahasarotan’ny dingana ara-pitantanana sy ny faharetan’ny dingana, izay miteraka fahatarana amin’ny famoaham-bola sy ny fanombohan’ny asa. Anisan’ny olana lehibe ihany koa ny fahataran’ny fanonerana ireo olona voakasiky ny tetikasa sy ny famotsorana ny tany hanatanterahana ny asa. Araka ny antontan-kevitra, mbola maro ireo tetikasa miandry fanombohana ary io mitambatra hatrany amin’ny 1,085 lavitrisa dolara io ny vola efa natokana ho amin'izany, saingy mihisatra. Notsindrian’ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison fa mifanaraka amin’ny foto-kevitra itondrany ny Governemanta ny « célérité, impact et innovation », ka nanome toromarika mazava izy mba hanafaingana ny famahana ireo sakana ara-teknika sy ara-pitantanana. Anisan’ny vahaolana dinihina ny fanatsorana ny dingana, ny fanafoanana dingana miverimberina, ny fanatsarana ny rafitra fandoavana fanonerana ary ny fametrahana fomba fiasa mazava sy haingana, sady mitandrina ny zon’ireo olona voakasika. Ho an’ny sehatry ny angovo, izay laharam-pahamehana, dia nohamafisina ny filàna fanafaingana ny tetikasa famokarana angovo azo havaozina, hanamafisana ny tambazotra ary hanatsarana ny fahombiazan’ny JIRAMA. Ny tanjona dia tsy ny fananana famatsiam-bola fotsiny, fa ny hahatonga izany ho lasa tetikasa tanteraka, asa hita maso ary vokatra mivantana ho an’ny vahoaka Malagasy. Sarotsarotra ny fepetran'ny mpamatsy vola mahazatra, toy ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy, fampihenana sy fanafoanana tsikelikely ny famoahana volabe amin'ny orinasam-panjakana,... Mitaky ezaka sy fahaizana mifampiraharaha avy amin'ny Fitondram-panjakana Malagasy.
Toky R