airtel

Actualités

12-avril-2024

Fanolanana

Zazavavikely 8 taona nilaza ho naolana zazalahy 10 taona

Sample post image

Tsaboina ao amin'ny CHRR Maintirano ny zazavavy kely iray niharan'ny fanolanana,

12-avril-2024

hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. 8 taona izy ary kilasy T1. Zazalahy kely iray, mpiray tanàna amin'izy ireo, 10 taona, no nambarany ho tompon'antoka. Sendra nilalao teny amoron-drano izy ireo no niseho io fanararaotana io ny volana janoary. Taorian'io fotoana io dia tsikaritry ny reniny izy fa mamanimany lava. Nentina tany amin'ny CSB II. Tsy ampy ny fitsaboana tany ka nihombo ilay aretina. Nony farany, nojeren'ilay reniny ny maha vehivavy azy. Teo vao ankona fa simba ilay izy. Rehefa nanontaniana ilay zaza dia nitantara ny nahazo azy. Nentina ao amin'ny CHRR izy hanaraka fitsaboana. Tsy misy kosa ny fisamborana na fanaovana andrimaso noho ilay ahiahiana mbola zaza. Ny lalàna dia milaza fa tsy azo heverina ho tomponandraikitra amina heloka nataony ny zaza latsaky ny 13 taona. Noho izany, tsy afaka enjehina, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanazavana, saingy heverina fa mariky ny fahapotehin’ny fiarahamonina kosa nefa ny fisian’ny tranga toy itony, raha mitombina hatrany. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe aiza ho aiza no anjara toeran’ny fanabeazana sy ireo mpanabe no heno hatrany ny tranga toy itony?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap