Hiampy 335 000 ariary isam-bolana ny karaman’ireo mpampianatra raha raisina amin’ny fanambarana nataon’ny filohan’ny fanavaozana ny repoblika kolonely Randrianirina Michael tany Toamasina ny sabotsy 24 jona lasa teo raha nitsidika ny Lycée de référence de Toamasina izy .Mizara roa mazava tsara izy io dia tambin-karama solona hofatrano na indemnité de logement mitentina 200 000 ariary sy indemnité de craie 135 000 ariary. Efa am-polotaonany no nitakian’ny mpampianatra mpiasam-panjakana ny mba hampitomboana ireo tambin-karama roa ireo fa ankehitriny izany vao ho tanteraka satria efa an-dalam-pikarakarana, hoy ny fanazavana voaray na dia tsy mbola nisy daty mazava aza hoe rahoviana marina no ho hita any anaty bon de caisse izy ireo.fa ny azo antoka aloha dia tsy maintsy ho azy . Marihina fa tambin-karama hafa mihitsy ankoatr’ilay fisondrotan-karama 14% izy ity.Tena laharampahamehana ho an’ny fitondrana misy ankehitriny ny fanabeazana miainga eny amin’ny fanabeazana fototra izany ka hatreny amin’ny anjerimanontolo, izay ametrahana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro sy omena rano madio. Mazava ny hafatry ny kolonely Randrianirina Michael ho an’ireo mpampianatra rehetra manerana ny nosy : mitaky andraikitra sy fandavan-tena ny fanavaozana ny lafin’ny fampianarana eto Madagasiikara ka voalohany amin’izany ny fahamarinam-potoana amin’ny ora fianarana. Mbola nampiany hoe : asa masina ny asanareo , eo am-pelatananareo ny hoavin’ireo ankizy beazinareo koa mankahery indrindra anareo mpampianatra.
FITAOVAM-PIADIANA MAHOMBY INDRINDRA
Tsaroana ilay fehezantenin’ny filoha afrikana tatsimo teo aloha sady mpitari-tolon’ny ANC Nelson Mandela manao hoe : ny fanabeazana no fitaovam-piadiana mahomby indrindra hanovana izao tontolo izao. Raha miresaka fanavaozana, fampivoarana dia tsy maintsy fanabeazana sy fampianarana izay, ao no fototra iaingana ary efa hita porofo manerantany izany fa ny firenena mandroso, misy fitoniana politika, tsara ny kalitaon’ny fiainan’ny mponina ao aminy dia firenena nandany ron-doha , vola aman-karena sy fotoana nanatsarana hatrany ny fampianarana ary ho an’ny rehetra mihitsy io fa tsy hoe ampahany amin’ny vahoaka ihany . Koa raha hanao fanovana marina dia tsy maintsy amboarina mihitsy aloha ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fampianarana eto.
Nahazo lisea vaovao antsoina hoe Lycée de référence de Toamasina i Toamasina .Fotodrafitrasa vaovao ahitana efitrano fianarana miisa 12 , birao 2 ary efitrano malalaka 2.Miisa 144 no mpianatra ao ankehitriny. Notolorana solosaina 5 ireo tompon’andraikitra.
Nangonin’i RTT
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona