airtel

Actualités

14-août-2026

Fanovana ara-tsolika

ho an' ny Jirama Namena 9,4 miliara Ar ny SPM,

Sample post image

tsy levon'ny matanjaka...

14-août-2026

Manohy ny fanapahan-kevitra noraisiny momba ny solika ny Fanjakana. Nankatoavin'ny fliankevitry ny minisitra omaly alakamisy 13 aogositra 2026 ny fampitana am-bava mikasika ny fankatoavana famindrana fanampiana ara-bola mitentina 9,4 miliara Ariary mahery ho an'ny State Procurement of Madagascar (SPM). Ny SPM moa no nomen'ny fanjakana alalana hanafatra solika mivantana mba hanamaivanana ny sarany ho an'ny JIRAMA. Tsara ho marihina fa 15 000 ka hatramin'ny 17 000 m3 isam-bolana ny gazozla lanin'ny Jirama. Midika izany fa mamoaka vola 140 ka hatramin'ny 170 miliara Ariary isam-bolana ividianana gasoil izany ity orinasa ity raha ilay sarany nahatra hatrizay no raisina. Hita anefa ankehitriny fa azo atao tsara ny mampihena io fandaniana io rehefa manafatra Gasoil mivantana natokana ho an'ny JIRAMA.Stratejika be ara-toekarena ny firosoan'ny Fanjakana amin'ny fanavaozana ny raharaha ara-tsolika, izay efa nankatoavin’ny HCC ny Lalàna laharana 2026-006 tamin’ny 3 Aogositra 2026, manome fahafahana ny orinasa notendren'ny Fanjakana ho an’ireo mpandraharaha nahazo alalana hanao fanafarana mivantana vokatra solika. Ity rafitra vaovao ity dia heverina fa hanova tanteraka ny endriky ny tsenan’ny solika eto Madagasikara, satria mbola miankina tanteraka amin’ny fanafarana avy any ivelany ny famatsiana eto an-toerana. Ny vidin’ny fanafarana sy ny fahamarinan’ny famatsiana dia misy fiantraikany mivantana amin’ny toekarena manontolo. Ny fanafarana mivantana dia antenaina hampihena ny saran’ny rojo famatsiana sy hanalefaka ny loza ateraky ny tsy fahampian-tsolika, ankoatra ny mason-karena. Iny efa nambaran'ny Fanjakana iny fa 600-800 Ar ny elanelana mitaha amin'ny endriny mahazatra. Mbola vao ny famatsiana ny Jirama no niantombohany fa azo heverina ny mety hivelarany amin'ny famatsiana ankampobeny, na farafaharatsiny mba mampiova ny fifaninanana sy ny ampihimamba.

INONA NO HO FIHETSIKY NY MATANJAKA?
Asa anefa hanao ahoana ny setriny avy amin'ny mpiara-miombon'antoka toy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena na ny FMI izay nampihemotra ny famoahana ny fanohanana ara-bola FEC (Facilité Élargie de Crédit) mitentina 189 tapitrisa dolara noho ny tsy fampiharantsika ny fanintsiana mandeha ho azy na "ajustement automatique de prix" amin'ny vidin-tsolika izay misy ny fifandresen-dahatra mandeha. Mbola misy ihany koa ny fepetra napetraky ny mpiara-miombon'antoka mikasika ny Jirama momba ny fampihenana ny fanentsenana ara-bola amin'ny Jirama, kanefa io niditra mivantana amin'ny Fanafarana solika ho an'ity orinasam-panjakana ity io ny Fanjakana. Tsy azo hadinoina ihany koa ny manodidina ireo orinasan-tsolika izay saika avy amin'ny firenena matanjaka manana ny teny farany eo amin'ny sehatra Iraisam-pirenena. Andaniny anefa, noho ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Fanjakana, misokatra ny sehatra ho an’ireo mpandraharaha manana fahazoan-dalana amin’ny fitahirizana, fitaterana ary fizarana. Raha sendra tsy mahavita miantoka famatsiana ilay rafitra voatendry, dia afaka miditra amin’ny fanafarana mivantana ireo mpandraharaha hafa, ka manamafy ny fahafahan’ny tsena mamaly haingana ny filàna. Tsy voafetra amin’ny sehatry ny solika ihany ny fiantraikany. Ny fiovan’ny vidin-tsolika dia misy akony mivantana amin’ny fitaterana, ny famokarana, ny fambolena ary ny fizarana entana. Izany dia mety hitarika fiovana amin’ny vidim-piainana. Noho izany, ny mari-pamantarana lehibe indrindra amin’ny fahombiazan’ity rafitra vaovao ity dia ny fahafahany miantoka famatsiana tsy tapaka sy mampihena ny saran’ny rojo famatsiana, indrindra eo anatrehan’ny fiovaovan’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-août-2026

intsony ny fikaonandoha eo!»

Card image cap
14-août-2026

miazo an'i Toamasina

Card image cap
14-août-2026

Voatendry ho Tale Jeneralin’ny CNaPS

Card image cap
14-août-2026

no filan'Antananarivo

Card image cap
14-août-2026

Efa hita ireo Ray aman-dReniny

Card image cap