airtel

Actualités

17-mai-2024

Faty hita nifatotra sy nodorana teny Talamaty

Ny vadiny ihany no ahiana ho nahavanon-doza

Sample post image

Vehivavy iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty tao Fitroafana Talatamaty,

17-mai-2024

distrikan’Ambohidratrimo afak’omaly Alarobia 15 May maraina, izay vao avy nodorana. Ny tongotry Ratompokovavy efa niraviravy teo ivelan'ny gony no hitan'ny mpanary fako maraina ka nahatonga ity farany niantso ny manodidina. Vinavinaina ho efa maty 3 andro ity Ramatoa ity vao nodorana ary natao tao anaty gony, raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo tonga nijery ny razana. Mitohy kosa ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana eny an-toerana ka lehilahy iray mpitsimpona fako teny an-toerana no notazonina natao andrimaso. Nisy nahita nitondra zavatra tamin'ny gony mantsy io lehilahy io, izay tombanana ho ilay vehivavy maty io. Nandoro zavatra teo amin’ny fako izy tokony ho tamin’ny 4 ora maraina tamin’io andro nahitana ny razana io hoy ny vaovao azo. Mety ho vadiny ilay ramatoa hita faty noho izany. Tsy hita tao an-tranony intsony mantsy ilay Ramatoa vadiny ary voalaza fa naharenesan’ny zandary fofona maimbo tao nandritra ny fisavana tao an-toerana. Nilaza kosa ilay Rangahy mpitsimpona fako fa lasa nody any amin’ny fianakaviany any Ambositra ilay Ramatoa vadiny. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany moa no tena hanamarina izany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap