airtel

Actualités

14-août-2026

FENO FASIKA

IREO LAKAN-DRANO Mihena 60.000 ha ny vary azo

Sample post image

volena ao Marovoay

14-août-2026

Mihena hatrany ny velaran-tanim-bary azo volena ao anatin'ny distrikan’i Marovoay. Noho ny fasika mameno ireo lakan-drano mpanondraka ny tanimbary no anton'izany. Amin’ireo 90. 000 ha tokony ho azo volena, dia 30.000 ha ihany sisa no afaka ampiasaina amin’izao fotoana izao. Midika izany fa 60 000 ha, na manodidina ny 66,7 %-n'ny velarantany misy no tsy afaka mamokatra intsony. Hisy fiantraikany mivantana amin’ny famokaram-bary eto Madagasikara izany. Anisan'ny sopitra mantsy ity distrika iray ity miaraka amin'Ambatondrazaka any amin'ny Faritra Alaotra Mangoro. Mihena ny vary azo vokarina ary mety hampiakatra ny vidim-bary ho an’ny mpanjifa izany. Mihena koa ny fidiram-bolan’ny tantsaha, ka manimba ny toe-karena ambanivohitra. Mety hampitombo ny fiankinan-doha amin’ny vary hafarana ihany koa ity tranga ity. Tsy tokony hijanona amin’ny fanaraha-maso sy ny fijerena ny tahirim-bary fotsiny ny fanjakana manoloana izany. Ilaina ny fandraisana andraikitra maika sy vahaolana maharitra amin’ny resaka foto-drafitrasa tahaka izao, indrindra fa ny fanarenana sy fanadiovana ireo lakan-drano, mba hahafahan’ireo velaran-tany 60 000 ha ireo miverina mamokatra indray. Raha sanatria tsy voajery izao toe-javatra izao dia tsy ny tantsaha ao Marovoay ihany no ho voa, fa mety hisy fiantraikany amin’ny famatsiana vary sy ny vidim-bary manerana an’i Madagasikara mihitsy. Tsiahivina moa fa ny fiarovana ny famokaram-bary dia fiarovana ny toe-karena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara.
Pati

Légende : Vitsy sisa ireo tanimbary azo volena eto Marovoay !
 

Dans la même rubrique

11-sept-2026

Hivaly ny 12 oktobra ny fangatahan-dRavatomanga

Card image cap
10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap