airtel

Actualités

11-août-2026

FENOARIVO ATSIMONDRANO

Renim-pianakaviana

Sample post image

maty nianjeran'ny tamboho

11-août-2026

Renim-pianakaviana iray manodidina 50 taona eo ho eo no fantatra fa maty nianjeran'ny tamboho ny herinandro lasa teo teny amin'ny kaominina Fenoarivo, distrikan'Atsimondrano. Raha araka ny loharanom-baovao voaray dia tsy mañana trano fonenana io Renim-pianakaviana io. Eny am-body tamboho izy araka izany no matory sy maka aina rehefa alina ny andro ka tra-doza tampoka. Olona sendra nandalo ny faritra misy io tamboho io ny maraina no nahita fa nihotsaka ilay foto-drafitrasa. Hita tao ambanin'ilay biriky noho izany ny tongotr'ilay Renim-pianakaviana ka nikoropaka niantso tompon'andraikitra ny teo amin'ny manodidina. Rehefa nosavaina izany dia vatana efa tsy nisy fofon'aina intsony no hita tao. Nikarepoka ihany koa ny lohan'ilay Renim-pianakaviana. Ny Fokontany tao an-toerana sy ny kaominina noho izany no nandray an-tanana ny fikarakarana ny razana. Raha araka ny fantatra mantsy dia mpila ravinahitra no nahatongavan'io Renim-pianakaviana io tao Fenoarivo. Niasa taman'olona izy ary tsy mba nisy fianakaviana nifandray taminy mihitsy an-taonany maro. Nalevina eny amin'ny fasam-bahiny ny razana.
Pati
Légende : Biriky tahaka izao no tazana nifatratra teo ambonin'ny razana !
 

Dans la même rubrique

20-août-2026

Taorian’ny tolona mamaivay

Card image cap
20-août-2026

Miverina miaina ny fitrandrahana Kraomita

Card image cap