airtel

Actualités

22-avril-2024

FENOARIVO ATSINANANA

Nahazo milina fanodinana voankazo

Sample post image

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

22-avril-2024

Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny Taninketsa Indostrialy fanamainana voankazo. “Mba hiroborobo anie ny vokatra izay hivoaka anatin’izao ozinina apetratsika izao. Hitombo ny fahefa-mividin’ny tantsaha ahafahan’ny tantsaha mamoaka ny vokatra sy hivarotra ny vokany ihany koa”. Nahazo tso-drano tamin’ny Filoham-pirenena ireo tantsaha mpamokatra voankazo any amin’ny Faritra Analanjirofo nandritra izany. Tena toerana mamokatra tokoa Analanjirofo fa matetika rehefa tsy misy mividy ny vokatra dia simba fotsiny, hoy ihany ny Filoham-pirenena. Anisan’ny antony nametrahana ny fitaovana fanamainana voankazo any an-toerana anatin’ilay Tetikasa ODOF (One Distrcit One Factory) izany. Tonga hatrany amin’ny fanokafana toeram-panamboarana ranom-boankazo avy amin’ny letisia any amin’iny faritra iny ihany ny vinan’ny Filoha. “Izay letisia rehetra tsy voaondrana any ivelany izany dia omena ny kaoperativa mba ahodintsika. Nampirisika an’ireo tantsaha hivondrona anaty kaoperativa moa ny Filoham-pirenena hahazoana hery ahafahana mampitombo ho lehibebe kokoa hatrany ny ozinina ho apetraka. Kaoperativa 15 ahitana mpikambana 1125 no mahazo tombontsoa mivantana amin’ny ODOF fanamainana voankazo ao Fenoarivo Atsinanana. Mbola kaoperativa ihany koa, Kaoperativa Taratra, no voafantina hitantana ny orinasa rehefa nivaly ny Antso ho an’ny tetikasa nataon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC).Voankazo 200 ka hatramin’ny 300 kilao isaky ny mampiditra no zakan’ny milina. Maharitra adin’ny 16 ny fanamainana ho an’ny letisia, 12 ora ny akondro ary adin’ny efatra ny ampalibe.
Pati
Legende : Haodina tahaka izao ny voankazo ao Fenoarivo Atsinanana manomboka izao !

 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Feno 7 taona katroka omaly 02 mey 2024 ny onjam-peo Top Radio 102.8 FM amin’ny endriny ankehitriny

Card image cap
03-mai-2024

Tsy afa-misaraka amin’ny hery politika na «régime politique»

Card image cap
03-mai-2024

Mampita vaovao marina sy manabe ny fiarahamonina no isan’ny andraikitry ny mpanao gazety

Card image cap
03-mai-2024

voahosotry ny big win philantrophy ho tompondakan’ny fanjarian-tsakafo ingahy Filoham-pirenena Malagasy.

Card image cap
03-mai-2024

Notokanana omaly 02 mey 2024 ny tobim-pamokarana avy amin’ny rano ao Behenjy, distrikan’Ambatolampy,

Card image cap
03-mai-2024

Lehilahy Malagasy efa manodidina ny 40 taona i Jean Mickael Rakotoniaina.

Card image cap